Tsy mahafaly akory sanatria ny mitanisa fisamborana sy fampidirina amponja ireo olon-dehibe vavàna sady nanao ny tsy nety teto amintsika. Somary nateti-piavy ary tokony hateti-piavy mihitsy izy ireny ato ho ato. Dia misy ireo mamadika izany tsy rony tsy ventiny eo ho resaka politika. Tsy misy tany hodiavin’ny tsimatimanota intsony mantsy manomboka ireo eto Madagasikara. Manomboka izy io, araka ny fampanantenana sy fandraisana fepetra nambaran’ny Filohan’ny Repoblika. Hampanajaina amin’izay ny lalàna rehetra, na inona mitranga ary na iza voakasik’izany. Hifarana hatreo ny kilavalava sy ny gaboraraka mbamin’ny mandeha ho azy nahazatra an-taonany maro.
Ny fandrasana sy ny fahitana ireny dia mahate hisioka mangina ny hiran-dry zalahy hoe “fafafafao ny tokotany”. Ary fafafafaina tokoa ny tokotanin’ny fonja izany manomboka izao fa hitsena vahiny goavana sy ngeza, araka ilay hadihadinay teto, omaly. Vao mainka aza mampihiratra ny maso ilay kabarin’ny Filohan’ny Repoblika hanangana fonja vaovao sy lehibe handefasana ny hitanana ireo jiolahy tena raindahiny sy mpanao heloka bevava. Heloka bevava ka izay tratra eo, maka saina aloha fa tsy hisy hovidin’ny volan-dry zareo intsony eto. Manam-petra ny herin’ny vola satria raha izay lelavola mivalombalona fotsiny no apetraka ambony milina, ohatra, tsy hisy asa ho vita raha tsy omen-kasina ny olombelona mampiasa izany. Rehefa tonga saina tsy handray izany vola araviravy izany ny olombelona, raha ho azy ny raharaha.
Dia hisy indray nyhanao hirahira isak’izay mahatsiaro fa fanenjehana izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ireny fihetsika ireny. Efa fahavaratra isika izao tompokolahy sy tompokovavy fa tsy ririnina ka ampy izay ny hitsin-dalana sy ny fanarahana lala-masaka. Tsy ny fotoan’ny paiso an-kady intsony isika izao. Ary hisy koa ny hilaza ho gadra politika ireny raharaha ireny. Toy ireo efa nitranga tamin’ny fitondrana maro nifandimby, ampahany vitsy ny gadra politika. Mpanao politika nigadra no betsaka tompokolahy sy tompokovavy ka fafafafao ny tokotanin’ny fonja fa hitsena vahiny. Noho izany, tsy azo ekena ny fanomezana azy ireny famotsoran-keloka na amnistia. Tsy manan-jo hamela azy ireny ny Cfm na ny Filankevitra ho amin’ny fampihavanana Malagasy tarihin’I Zokibe Maka Alphonse. Noho izany, aleo hihatra amin’ny rehetra ny lalàna na inona nataony na iza na iza. Efa dingana iray mifameno amin’izany, ohatra, ny fiverenan’ireo polisin’ny polisy sy ny polisin’ny miaramila (PM). Ho “traingo” eo daholo amin’izay ireo mpanararao-pahefana sy tsy manara-dalàna na sivily na miaramila. Fafafafao ny tokotanin’ny fonja fa hitsena vahiny goavana.