Lutte contre la corruption à MadagascarFanjakana Andry Rajoelina : Miady amin’ny mpandraharaha sa ny...

Fanjakana Andry Rajoelina : Miady amin’ny mpandraharaha sa ny kolikoly – La gazette de la grande île du 19 février 2019

-

- Advertisment -spot_img

Nitarika fomba fijery vaovao teo amin’ny fiainam-pirenena ny fisamborana an’i Eddy Maminirina mpanjakan’ny « bois des roses » na ny andramena  iny. Mbola nampiana ny fisamborana an’i Mbola Rajaonah koa andro vitsy taorian’izay. Tsy izany ihany fa ny nampidirana am-ponja an’i Hugue Ratsiferana izay voalaza fa nangalatra ny fanaka tao Ambohitsorohitra tamin’ny volana janoary 2019 iny.  Mbola nohamafisin’ny fanjakana koa ankoatr’izany ny famonjana an’i Claudine Razaimamonjy, ka raha toa ka tany Manjakandriana no notanana ity ramatoa mpandraharaha ity tao anatin’ny iray taona izay, dia naverina any fonjan’ Antanimora indray ny volana febroary 2019.

Araka loharanom-baovao azonay dia nankasitraka ny dingana nataon’ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina ny fanjakana amerikanina sy ny vondrona iraisam-pirenena sasantsasany noho izany ezaka nataony izany.

 Maro ny Malagasy no miteny fa izay angamba vao mba hisy « gros bonnets» na mpanan-karena sy olona ambony maro any am-ponja fa tsy ny madinika sy ny fadiranovana ihany toa ny nisy hatramin’izay voatery nangalatra noho ny fahantrana no hidoboka eny Antanimora.

Na izany aza no zava-misy dia mandeha dia mandeha ny ady hevitra eny anivon’ny teknisianina malagasy sy ny tia tanindrazana ary ny tena mpanao pôlitika. Miady amin’ny mpandraharaha ve ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina sa hiady amin’ny kolikoly? Io no fanontaniana apetrak’izy rehetra ireo amin’izao fotoana izao.

Tsara dia tsara ny nahazoana ireo « gros poissons » ireo hoy ny maro saingy tsy ampy ireo satria tsy izy ireo irery no tokony hanaovana fanadihadiana sy hampidirina am-ponja. Ireo olona ireo sy ny hafa maro izay mbola be mpiresaka amin’izao fotoana izao fa tokony ho samborina sy hanaovana fanadihadiana dia olona mpandraharaha avokoa. Manana ny fenitra arahiny izy ireo ary manana ny tanjona tiana hahatongavana ihany koa araka ny maha mpandraharaha azy. Aoka hazava ny resaka fa tsy mandehandeha irery izy ireny tamin’ireo halatra nataony ireo raha toa ka izany no itanana azy amin’izao fotoana izao fa tsy maintsy niarahany tamin’ny sokajin’olona maro. Na inona na inona fomba fijery dia resaka volam-panjakana sy ny fanodinkodinana izany no itanana ireo mpandraharaha ireo. Noho izany dia tsy maintsy misy olona ao amin’ny ministeran’ny Vola niray petsapetsa sy niray tetika tamin’izy ireo, na noterena hamoaka ny vola tao. Tsy nangalatra ny volam-panjakana izy ireo na namaky ny biraon’ny tahirim-bolam-panjakana, na koa namaky ny banky fa nomena azy ankahalalahana ny vola izay voalaza fa nangalariny sy nahodinkodiny ireo.

Iza daholo ireo olona manome fahazoan-dàlana ny famoahana ny vola ao amin’ny kitambolam-panjakana tao ? Raha tolotr’asa no asian-teny dia tsy maintsy niala tany amin’ny minisitra nahazona ny tolotr’asa izany ary mandalo amin’ny tale jeneraly sy tale maromaro vao mivoaka ho vola. Aiza avokoa ireo olona ireo ? Ny famoahana ny vola nahodinkodina ireo dia tsy maintsy nandalo sonian’olona maromaro isan’ambaratongany ao amin’ny ministera miandraikitra izany ary indrindra ny ministeran’ny Vola. Na tany amin’ny ladoany na tany amin’ny ministera hafa dia tsy azo idifiana izany fa izay no làlana na  “procédure” tsy maintsy aleha vao mivoaka vola ny antontan-taratasy.

Koa raha hiady amin’ny kolikoly marina ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina dia tokony hadihadiana avokoa ireo olona ireo. Averinay fa mbola ireo “gros poisssons” no tratra izao fa mba aiza ny namany satria tsy mandeha irery ireo?

Tsy ny mpiasam-panjakana ambony ihany no tafiditra amin’ireo raharaha ireo sy izay mbola ho avy eo, fa tsy maintsy nisy mpiaro azy ireo ao ambony ao amin’ny fitondram-panjakana ao. Iza koa moa no tsy mahalala fa nisy baiko nidina avy any Iavoloha na avy amin’ny minisitra ny famoahana vola na ny entana any amin’ny ladoany? Ireo ilay mpanome baiko izay tsy voasoaratra ka tokony hanaovan’ny fitsarana fanadihadiana koa.

Izany no antony anontanianay hoe hiady amin’ny mpandraharaha ve ny fanjakana ankehitriny sa hiady amin’ny kolikoly? Raha tena hiady amin’ny kolikoly izy dia hohazany avy ireo “gros bonnets” sy ireo “gros poissons” ireo ary ny tambazotra miaraka aminy na “gros” na “Petits” koa aza. Raha tsy izay no ataony dia fanapotehana ny mpandraharaha Malagasy ihany izao fihetsiketsehana misy izao satria tsy mipaka hatrany amin’ny fakany.

Jesy Rabelaolao

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you