Mbola to teny na didy sy azo itokisana ihany ve ny fitsarana malagasy amin’izao ? Eo ny fitsaram-bahoaka milaza azy. Efa mba niova ve ny fanadihadihan’ny Afrobaromètre sy ny Bianco, ohatra, fa anisan’ny mahabe fitarainana indrindra noho ny kolikoly ny fitsarana ?
Izay ny fandraisan’ny vahoaka ifotony ny fitsarana. Mahatsara na maharatsy endrika ny fitsarana amin’izao koa ny afitsoky ny mpitondra. Nahoana ? Tsy mbola misy valiny na fafapahan-kevitra, ohatra, ny fitakian’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), tamin’ny taon-dasa, ny amin’ny fanajana ny tany tan-dalàna, ny fampiharana didim-pitsarana …
Vao maika miharatsy noho ny eo aloha izao aza ny toerana sy ny fiheveren’ny maro ny fitsarana amin’izao. Eo, ohata, ny amin’ireo raharaha tsy mazava na toa vitavita ho azy fa tsy hita izay tohiny sy farany : ny raharaha Antsakabary, ny raharaha Razaimamonjy Claudine, ny raharaha Andriamandavy VII Riana, …
Mitohy ny tsy fanarahan-dalàna sy ny kolikoly
Izao faramparany izao, maharikoriko ny amin’ny fisian’ny kolikoly amin’ny fidirana ho mpianatra ho mpitsara sy mpirkidraharaha, ananan’ny Biano porofo. Hanao ahoana ny hoavin’ny fitsarana amin’izany ? Hitady izay hamerenana ny kolikoly nomeny izay mpitsara sy mpirakidraharaha mivoaka amin’izany. Mety hatramin’izay aza ny kolikoly, fa izao vao miseho masoandro.
Tsabahin’ny mpitondra ambony hatrany ny fitsarana. Tonga hatramin’ny fandoroana ny antontan-taratasy porofoana kolikoly amin’izay fidirana ho mpitsara sy mpirakidraharaha izay ny sasany.
Mahavery fanahy ny maro amin’ny fisarana koa ny momba ny « Raharaha Houcine Arfa » hoe nisy andrana fanomezana kolikoly tamin’ny eo anivon’ny fampanoavana , nefa vitavita ho azy : nahoana, ohatra, no tsy notanana avy hatrany sy nenjehina araka ny lalàna ?
Mahakely finoana ny vahoaka koa ny momba nanalana ny tonia voalohany mpampanoa eo anivon’ny fitsarana tampony, ifampitarihana eny anivon’ny fitsarana. Ny o anivon’ny fitonram-panjakana izao no misavoitaka sy tratran’ny fahalavona tanteraka. Mbola azo antoka sy itokisana ve ? Na mila vahaolana ny rahaaha …
Be loata ny lalàna ehefa tena mpanao kolikoly ny fanjakana, hoy ny ohabolana latinina izay. Eo koa ny hoe : mivoaka na lasa ny marina, rehefa tafidity ny politika ny itsarana.