Najoro hitsara ny marina sy ny diso miainga aminy fampiarana ny lalàna manan-kery ny fitsarana : mahazo rariny izay manana ny rariny,ary voasazy araka ny heloka vitany kosa ny mifanohitra amin’izay.
Midaraboka ny firenena raha tahiny ka mitsilavina ny fampiarana ny lalàna. Inona tokoa moa izany hoe « Firenenatsy mampiatra lalàna izany ? »
Takiana matetika ny hoe « Fanajana ny lalàna », rehefa ampiarina indray ny lalàna dia misy ny tsy afa-po, lazaina fa mangeja, misy ireo tokony hampiatra ny lalàna mihintsy no tsy mampiatra azy ka manome tsiny ny hafa ho mitsabaka aminy andraikiny.
Manaiky sy manaja ny fahefan’ny fitsarana ny filoham-pirenena ka izay no tiako lazaina ho antony fahanginako manoloana ny raharaham-pitsarana na anankiray na vitsivitsy angatahina ny hevitro. Tsy misy tokony hanontaniana ahy ny mombany izany satria amiko dia malalaka ny mpitsara aminy fandinihana ny raharaha eo ampelatanany. Tsy tokony hipetraka akory ny fanontaniana aminy fiantohan’ny filohany Repoblika ny fahaleovantenany fitsarana. Efa voalaza eo amin’ny andininy faha 177 ny lalampanorenana izany saingy aza adinoina fa tsy tompon’andraikitra irery ny filohany repoblika fa hotronon’ny filankevitr’ambony ny mpitsara na ny CSM izay manana adidy koa hitandro ny hasiny fitsarana.
…
Iarahantsika manaiky fa mbola marefo ny fitsarana ankehitriny tsy takona hafenina ny fitarainana avy aminy sarambabehambahoaka fa tototry ny kolikoly ny fitsarana mampihetry ny fitsarana sy ny didy avoakany izany ka manainga ny rehetra aho handray ny andraikitra trandrify azy hamerenana ny fitokisana ny fitsarana mba haliana aminy fitsarana foana ireo teti-dratsy sy mamoafady atao ohatra ny fitsaram-bahoaka.
Miangavy ny mpitsara koa aho hanohy ny ezaka aminy fanadiovana ny raharaham-pitsarana hiverenany fitokisana mandray ny andraikiny ny fanjakana aminy fijerena ny fitakiana ataon’ny syndikan’ny mpitsara araka izay azo atao