Nanao valan-dresaka ho an’ny mpnao gazety ny Amnesty International omaly talata faha 23 oktobra 2018 tetsy amin’ny toeram-pandraisam-bahiny Carlton Anosy.
Mahakasika ny zon’olombelona no nanomezany fanazavana amin’izany ka ny fiainan’ny voafonja eto Madagasikara no nabaribariny ho ren-tany sy ho ren-danitra.
Nisy boky izay navoakan’izy ireo amin’ny fitenim-pirenena telo dia Malagasy sy Frantsay ary anglisy. Nampitondrany ny lohan-teny hoe: “Voasazy satria mahantra, fitanana am-ponja vonjy maika tsy ara-drariny, tafahoatra ary mitarazoka eto Madagasikara”.
Naka ohatra mivantana mahakasika ny fonja maromaro eto Madagasikara ny Amnesty International ireto, izay nampiany sary manaporofo izany amin’ny fiainan’ny voafonja amin’izao taona 2018 izao. Teto Antananarivo, Manakara no noraisiny ohatra amin’ity boky ity izay mitantara ny fijalian’ny voafonja ireo.
Isan’ny apetrak’ity fikambanana ity fa tsy mety ny fitanana am-ponja vonjy maika tsy ara-drariny, tafahoatra ary mitarazoka eto Madagasikara ankehitriny. Nanao fanambarana noho izany izy ireo.
Ny fampidirana am-ponja vonjy maika izay voapanga amin’ny heloka bevava mbola ampiandrasina fitsarana, izay mety hiandry izany ao anatin’ny taona maro. Lasa ny olona tsy voaheloka indray no betsaka miditra am-ponja noho ireo voaheloka. Ny ankabetsahan’izany dia ireo lehilahy, vehivavy ary ankizy mahantra. Tsy manana fahefana akory haka mpisolovava izy ireo. Mizaka fijaliana sy fanagadrana noho izany ka dia matetika dia mizaka herisetra sy tsy fahampian-tsakafo ary tsy fahasalamana. Izany nefa dia maro amin’izy ireo no tsy manan-tsiny akory.
Milaza ny Amnesty International fa fotoana tokony hanavaozana ny rafitra ny fitsarana sy ny fonja izao. Mampirisika ny pôlisy na mpitandro filaminana ary ny fitsarana amin’ny fampitsaharana ny fandefasana ny olona rehetra ho tanana any am-ponja vonjy maika, fa kosa hampiasa ireo fomba hafa ankoatra izany izay voalazan’ny lalàna. Ilaina ihany koa ny fampihenana ny efa fahafenoan’olona be loatra ao am-ponja mba ho antoka ny zon’olombelona eto Madagasikara.
Jesy Rabelaolao