Tototry ny asa. Am-perinasa tanteraka ireo mpitsara eo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny kolikoly (PAC) nanomboka tamin’ny fisokafan’ny fotoam-pitsarana, ny tapaky ny volana janoary 2019 teo. Araka ny fantatra dia raharaha zato mahery tsy vitan’ny Fitsarana momba ny kolikoly teo aloha no hosahanin’ireo mpitsara .
« Mbola miampy an’ireo raharaha vaovao maro voaray taty aoriana ireo avy amin’ny Fitsarana teo aloha ireo », hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity rantsam-pitsarana manokana misahana ny kolikoly ity. Nanomboka tamin’ny taona 2018 no nandray ny toerany ireo mpikambana ao amin’ny PAC, ary saika nifototra tamin’ny fandraisana an’ireo raharaha avy amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ny asa notanterahin’izy ireo.
« Mandeha tsikelikely ny fanaovana famotorana sy ny fanadihadiana satria tsy azo ataotao foana ny fitsarana an’ireny raharaha samihafa ireny », araka ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany. Isan’ireo raharaha mafana mbola eo am-pelantanan’ny PAC ny raharaha mikasika an’ireo mpandraharaha, Rajaonah Mbola sy Razaimamonjy Claudine, izay samy mbola voatana any am-ponja vonjimaika.
Trondro vaventy
Ny herinandro lasa teo indray, dia efa eo am-panaovana fanadihadiana an’ireo mpiasan’ny Fadin- tseranana vitsivitsy, voa- rohirohy tamina raharaha kolikoly ireo mpitsara ao amin’ny PAC. Voalaza fa mety efa tsy ho ela intsony ny fitsarana an’ireo raharaha ireo. Isan’izany ny mikasika an-dRazaimamonjy Claudine, izay voa- saringotra amina raharaha maromaro. « Minisitera maro no nahitana raharaha mikasika azy, ka hatao miandalana ny fanadihadiana momba an’io mpandraharaha io », hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Isan’ireo efa nandraisan’ ny PAC fanapahan-kevitra didim-pitsarana ny raha raha nahavoasaringotra tompon’andraikitra iray nisahana ny fitantanana ny Fari-piadidiam-pampianarana teto Analamanga. Voalaza anefa fa hiditra amin’ny dingana goavana kokoa dia ny fanombohana ny fanadihadiana momba an’ireo raharaha maha- voasaringotra manam-pahefana sy tampon’ andraiki-panjakana ambony ireo mpitsara eo anivon’ity fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly ity.Juliano Randrianja