Chaîne spéciale de lutte contre le trafic de bois de roseJeneraly Ravalomanana, Miresaka ny fifandraisanyamin'ilay mpivarotra andramena Eddy...

Jeneraly Ravalomanana, Miresaka ny fifandraisanyamin’ilay mpivarotra andramena Eddy Bois de Rose – AoRaha du 3 mars 2019

-

- Advertisment -spot_img

Namaky    am-batolampy    ny    fifandraisany tamin’ny mpandraharaha amin’ny andramena izay naiditra am-ponja  eny  Tsiafahy, herinandro maromaro lasa izay, ny jeneraly Ravalomanana Richard.  Nanararaotra  ny andro natokana ho an’ny zandarimaria tetsy Ampefiloha, omaly, ity manamboninahitra jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (Seg) ity, ka niaiky ny fisian’ny fifaneraserany tamin’io mpandraharaha antsoina hoe Eddy Maminirina io. Nambarany fa tsy tamin’ny sehatry ny fandraharahana andramena velively no nifandraisany tamin’ity lehilahy voatazona vonjimaika any am-ponja ity.

Fantatra fa taorian’ny fifanolanana momba ny fiara   iray   teo   amin’itsy   farany   sy   ny manamboninahitra zandary  iray,    izay voalazany     fa     manana    rohimpihavanana tamin’ny mpikamban’ny governemanta iray tamin’ny vanim-potoanan’ny tetezamita no nanombohan’ny fifankahalalan’izy ireo.

« Lehiben’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria Antananarivo aho, tamin’ izany, ary tsy mbola nifankahalala taminy», hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard teny amin’ny tranombokim-pirenena  Ampefiloha,   omaly. Efa saika niafara tamin’ny fanokafana fanadihadiana sy famotorana io raharaha fifanolanana tamina fiara io no teraka ihany ny fifandaminana teo amin’ilay mpandraharaha sy ilay manamboninahitra zandary, araka ny heno tamin’ny resaka nataon’ny Seg hatrany.

Fifanampiana marolafy

 Navoakan’ny jeneraly Ravalomanana Richard, omaly, hatramin’ny  fanampiana  azony tamin’io mpandraha- raha io nandritra ny raharaha tao amin’ny fianakaviany. Nahazo hatramin’ny fianakaviamben’ny zandary satria nampahafantarin’ny Seg ankehitriny fa “ Nanampy ho an’ny sekoly tany Ambositra izy. Nisy koa ny fanampiana nataony tamin’ireo zandary rava trano tany Nosy-be”.

“ Tsy nisy vola noraisiko an-tanana kosa anefa ireo rehetra ireo fa ny lehiben’ ny sekoly sy ny sosialin’ ny vadin’ny zandary no nasaiko nifandray tamin’  io  mpandraharaha io. Momba ny resaka andramena dia mbola kaomandin’ny                                Zandarimaria            teto Antananarivo aho tamin’ izany, ka tsy misy andramena eto », araka ny fanazavana nataon’ity manamboninahitra ambony ity nanoloana an’ireo resabe avy amin’ ny fivoahan’ny vaovao momba ny fifandraisany tamin’i Eddy Maminirina.

 

Nohazavain’ny  jeneraly   Ravalomanana Richard hatramin’ny fananany,  toy  ireo tranony eny Ambohi- manga sy Ambatolampy mihitsy, ary ny fiara ampiasainy. « Fehiny, tsy misy fifandraisana hafa ankoatra ireo notanisaiko ireo teo amiko sy io mpandraharaha io ary azo porofoina avokoa izany », hoy ny Seg namarana ny fanazavany ny zava-nisy.

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you