Dysfonctionnement de l'appareil judiciaire malgache9 magistrats malgaches sansctionnés dont un revoqué par...

9 magistrats malgaches sansctionnés dont un revoqué par le conseil de discipline d’après la Ministre de la justice

-

- Advertisment -spot_img

TV plus Madagascar du 15 janvier 2019

Fa hiova endrika ny fomba hanantanteraka ny fifaninanana hidirana ho mpiasa sy mpiraki-draharaha eo anivon’ny sekoly ambony ENMG hoy ny Minisitry ny fitsarana.

Tsy mbola fantatra anefa hatreto ny fotoana hanatanterahana indray izay fifaninanana taorian’ny fanafoanana izany indroa mian-taona. Anton’ny nanafoanana ny fifaninana teo aloha mantsy ny fisian’ny kolikoly avo lenta raha ny fanazavany. Mitohy hatrany ihany koa ny fanadiovana ireo mpitsara sy mpiraki-draharaha ary mpandrarahan’ny fonja izay voaroiroy amin’ny raharaha kolikoly, raha toa ka efa niharan’ny sazy ireo rehetra mandalo filakevim-pifehezana. Rinasoa Ramanambohitra, Yves Rasata.

Ny fisian’ny kolikoly avo lenta eo amin’ny fifaninanana handraisana mpianatra, mpitsara sy mpiraki-draharaha no nahatapa-kevitra ny minisiteran’ny fitsarana nanafoana ny fifaninana izay notanterahina ny volana febroary 2018. Olo-tsotra sy mpikambana eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana ary mpifaninana ihany koa no naharaisan’ny ministera fitarainana ka nirosoana tamin’ny fanafoanana ny fifaninanana ny taona 2018. Tsy mbola voafaritra kosa hatreto ny fotoana hamerenana indray ny fifaninanana, saingy efa misy ny lamina napetraka taorian’ny fitsirihana sy famotorana notanterahin’ny manam-pahaizana avy any ivelany.

Efa nisy ny asa voalohany izay efa nakana expert, avy any ivelany fa Malagasy, izay nahita moa izany hoe ny lesoka tao anatin’izay concours-tsika izay dia, izay moa ny filazany, ny hoe informatisation tsy tena izy, satria misy manipulation humaine be dia be amin’ny phase rehetra rehetra amin’izay concours izany. Fa ny zavatra izay nasehony ary efa nanaovana fampisehoana teo anatrehako moa izany rehetra izany, kanefa dia miankina amin’ny tohin’ny hoavy dia hisy izany ny informatisation tena izy, izay hoe manomboka avy any amin’ny fisoratana anarana mihitsy dia efa en ligne. Ary tsy hisy azo afaka hikitikitika mihitsy izay zavatra rehetra izay hatramin’ny farany. Ary na ny copie aza dia ho codé ary tsy afaka hivoaka, ho fantatra hoe io ilay copie raha tsy mampiseho ny code ara-dalana ilay mpianatra.

Mpitsara sy mpiraki-draharaha ary mpandraharahan’ny fonja amam-polony ihany koa no niharan’ny sazy taorinan’ny fanadiovana notanterahin’ny ministeran’ny fitsarana noho ny resaka kolikoly.

Mahery ny roapolo ireo mpandraharahan’ny fonja voasazy taorian’ny fanapahan-kevitry ny filankevim-pifehezana na ny CODIS. Nisy aza ireo noesorina tamin’ny asany, mbola hitohy ny fanadiovana sy ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny ministeran’ny fitsarana raha ny fanazavana.

Ny momba ilay fitondrana teo amin’ny conseil de disciplines moa izany dia folo no mpitsara nentina teo anatrehan’ny conseil de disciplines, roa nahemotry ny conseil de disciplines manaraka, ny valo vita fitsarana tao amin’ny conseil de disciplines, iray tamin’ireo no afaka nolazaina fa tsy nisy ny faute disciplinaire, ny sisa kosa dia nahazo sazy ary nisy aza ny révocation izany. Tao anatin’ny greffier ihany koa dia telo ny greffiers niakatra conseil de disciplines, izay samy nahazo sazy avokoa izy rehetra ireo. Ary ny mpandraharahan’ny fonja dia 23 ary tanatin’izany koa dia nisy ny voaroaka. Mbola mitohy ny asa momba izany, mbola maro ny dossier eo am-pelantanana.

Misokatra androany ny taom-piasana vaovao 2019 eo anivon’ny fitsarana, notanterahina androany ihany koa ny fifampiarahabana nahatratry ny taona vaovao 2019.

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you