Haverina ny fitsarana hatokisan’ny vahoaka hoy ny filoha Rajoelina – Inona no vaovao du 9 aout 2019

Dysfonctionnement de l'appareil judiciaire malgacheHaverina ny fitsarana hatokisan'ny vahoaka hoy ny filoha Rajoelina - Inona no vaovao du 9 aout 2019

Omaly maraina nivory volaohany niaraka tamin’ireo mpitsara eo anivon’ny Filankevitry ambonin’ny Mpitsara ny Filoha Andry Rajoelina tetsy amin’ny Lapan’Ambotsirohitra. Mazava sady mafonja ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika azy ireo fa tsy maintsy haevrina ny Fitsarana mandala ny fahamarinana ary ho andrin’ny vahoaka Malagasy. Tamin’izany no nilazan’ny Filoha Andry Rajoelina fa « efa fantatrareo tsara fa tafiditra ao anatin’ny velirano ny ady amin’ny kolikoly. Izany ady amin’ny kolikoly izany, ny fanoitra voalohany dia miainga eo amin’ny Fitsarana. Ary ny Fitsarana dia io no zavatra tena takin’ny vahoaka Malagasy sy iraisampirenena mba hananana Fitsarana madio. Fitsarana mitanila. Satria any sisa no azo lazaina fa arofanina farany mba tsy hampifanohitra amin’ny olona ka ny Fitsarana no manapaka farany hoe: iza no manana ny marina ary iza no manana ny diso. Mba ahafahana manatenteraka an’izay dia izay no nangatahako tamin’ny sekretera jeneralin’ny Csm hoe: mila mihaona amin’ny mpikambana ao amin’ny Csm mba handinihana ny momba ny Fitsarana. Ao anatin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsarana isika izao dia oa anatin’izany, amin’izao fiatombohan’ny fitantanana vao manomboka izao dia mila mihitsy isika mifandinika mba hahafahantsika mijery ny olan. Mamaritra miaraka ny ho ay ary mitondra vahaolana maharitra mikasika ny Fitsarana amin’ny ankapobeny. Raha jerena ny zava-misy dia maro ny fitarainana ataon’ny vahoaka, na io eo anivon’ny fiarahamonina na ireo tonga aty amiko momba ny mpitsara. Indrindra amin’ny adin-tany dia maro be ireo fitarainana ary marobe ireo voan’ny tsindrihazolena. Maro ireo manana ny marina nefa lasa diso rehefa tonga eny anivon’ny Fitsarana ka izany zavatra rehetra izany no mila jerentsika vahaolana miaraka. Ny zavatra tsapa ihany koa dia hita fa miadana loatra ny fiasan’ny Fitsarana. Misy ireo nigadra nandritry ny taona maro kanefa tsy mbola voatsara hatramin’izao. Hojerentsika ny vahaolana miaraka izany. Ny zavatra hit aihany koa, ny tany tena tandalàna dia tsy tokony hatahotra Fitsarana ny vahoaka. Rehefa manana ny marina izy dia mijroro ary sahy izy mankany amin’ny Fitsarana. Ny zavatra misy eto Madagasikara dia matahotra ny Fitsarana ny olona ka raha manana ny marina azy dia mitebiteby. Misy mihitsy aza ireo mamoy ny ainza noho ny resaka Fitsarana. Misy ny Birao fametrahana fitarainana ato ka hita fa maro ireo olona manana ny marina sy ny rariny saingy very ny zo rehefa tonga eny amin’ny Fitsarana. Fehiny, tsy ny mpitsarana rehetra no manao kolikoly fa misy ireo mpitsara manao kolikoly ary betsala ny kolikolu eo anivon’ny Fitsarana. Izay ny mahatonga ny vahoaka tsy mahatoky intsony ny mpitsara ka mahatonga azy ireo hanao fitsaram-bahoaka. Tsy mahatoky intosny ny rafi-panjakana misy ato amintsika. Izany no tsy maintsy hijerentsika miaraka ny vahaolana. Te hamerina ny hasin’ny fitsarana ny tenako. Fitsarana marina, matanjaka mahaleo ten aka rehefa mamoaka didim-pitsarana ny Fitsarana ny mpitsara dia manaiky ny fa izay ny marina. Tsy izay aloha ny zava-misy fa izay no hijerentsika vahaolana. Resy lahatra aho fa masina ny asam-pitsarana ary manana ny hasiny koa ary tokony hametraka ny hasin’ny mpitsarana Malagasy. Ankehitriny mantsy dia endrika hafa no hametrahan’ny vahoaka ny mpitsara. Tokony hametraka ny hasin’ny mpitsara amin’ny maha mpitsara azy. Hampihena betsaka ny kolikoly ny asa ataontsika eto anivon’ny Csm. Tsy hisy misy  ny filaminana ary tsy hilamina mihitsy ny tany sy ny fanjakana ary tsy hisy mihitsy ny ny fandriampahalemana raha tsy mipetraka arak any tokony ho izy ny Fitsarana Malagasy. Manana ny ajara toerany lehibe noho izany amin’ny fanatsarana sy fanadiovana ny Fitsarana isika ato anatin’ny Csm. Ianareo dia afaka mitsara ny mpitsara. Saingy tena mipetraka ve izany? Misy ary tsy vitsy ny mpitsara manao kolikoly, tsy ny mpitsara rehetra anefa no manao kolikoly. Noho izany, tokony hasiana sivana ireo mpitsara mendrika, ireo mpitsara miasa, ireo mpitsara madio sy mahay no tokony hapetrantsika hitantana ny rafi-pitsarana rehetra. Izany ny toromarika voalohany hapetraka amintsika. Lasa fomba fitney ny hoe, izay tsy manao kolikoly no vendrana fa izay manao kolikoly no mahay. Mahatoky aho fa misy ny mpitsara mendrika sy mpitsara madio. Ho an’ireo mpitsara mitanila dia tsy ekeko ary tokony hiray feo isika hoe tsy ekentsika raha olom-bitsy no hampahory vahoaka, olom-bitsy no tsy hampisy ny filaminana ary olom-bitsy no tsy hampandroso ny Firenena. Ny mpitsara dia tokony eo ambany lalàna ihany koa fa tsy hoe rehefa mpitsara dia tsy azo saziana. Aleo mba hajanona ny resaka hiantranoantrano. Isika eto anivon’ny Csm no afaka hanao an’izany ». Isan’ny nifampidinihana tamin’izany koa ny fanamboarana ny fonja vaovoa sy ny fampindran-toerana ny fonja sasany misy eto amintsika. Eo koa ny fanamboarana fonja ho an’ireo jiolahy hikohizana.

Harilaza R.

 

 

Check out our other content

Check out other tags:

Most Popular Articles