AntanimoraHafindra monina ireo voaheloka mandra-pahafatiny hoy RANDRIANASOLO Jacques -...

Hafindra monina ireo voaheloka mandra-pahafatiny hoy RANDRIANASOLO Jacques – Ao Raha du 8 mars 2019

-

- Advertisment -spot_img

 

Afaka enim-bolana dia hitsangana ny fonja natokana  ho  an’ireo  gadra voaheloka mandra-pahafatiny sy ireo nanao heloka goavana, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo Jacques, teny Faravohitra, omaly, nandritra ny fanoloran’ny Vondrona  Eoropeanina  fiara  tsy  mataho­ dalana miisa efatra ho an’ny Sampandraharaha misahana ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny rantsam-pitsarana sy  ny  fonja  (BCCJEP).  Efa  hita  ny toerana hanatanterahana ny fotodrafitrasa fa ny fanombohana ny asa sisa no andrasana, araka  ny fanazavana  nomen’ity  minisitra  ity hatrany.

 

Trano manokana

 

Isan’ireo nasongadiny tao anatin’izany i Stéphanie Roger Lala, izay voaheloka mandra-pahafatiny, noho ny raharaha fakàna an-keriny. «Misy ilay gadra iray avy any Antsiranana, Stéphanie Roger Lala, mpaka an-keriny izay efa voaheloka mandra-pahafatiny, izay efa hanamboarana trano manokana hitazonana azy eny Antanimora », hoy izy. Isan’ireo voasokajy ho olona atahorana ihany koa Razaimamonjy Claudine, araka ny voalazany hatrany.

«Niteraka resabe teo anivon’ireo fianakaviana manana mpifonja eny Antanimora ny nanorenana trano manokana ho azy. Isan’ireo atahorana izy matoa nafindra», hoy hatrany izy. «Samy tsy azo ampiarahina anaty toerana iray izy ireo satria mbola misy  hatrany ny tetika ratsy izay mety hataon’izy ireo. Nisy, noho izany, ny fanapahan-kevitra izay avy any ambony mihitsy mahakasika ny hanasarahana azy ireo, ka ity trano vaovao ity no vahaolana haingana indrindra. Tsy ho an-dRazaimamonjy Claudine irery  ihany nefa fa mila afindra ihany koa i Stéphanie Roger Lala satria efa manomboka mitarika ireo vehivavy hafa hikomy», hoy ny fanazavan’ ny minisitry ny Fitsarana. Vonjimaika ihany, araka izany, ity fanamboarana trano hafa eny  anivon’ny fonja ity fa ho avy ny fotodrafitrasa izay natokana ho an’ireo nanao heloka goavana.

Ankoatra ny fananganana fonja dia nasian-teny ihany koa ny fitantanana eny anivon’ny Fitsarana. Navohitran’ny minisitra Randrianasolo Jacques ny hametrahana paikady manaraka ny teknôlôjia entina hitantanana ireo antontan-taratasim-pitsarana rehetra. «Atsy ho atsy, tsy hihoatra ny enim-bolana, dia efa anatina tambajotra elektrônika avokoa ny raharaham­ pitsarana  rehetra.  Hapetraka  ny  fanamarinana  ireo  miditra  sy  mivoaka  ny fitsarana. Hisy ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny «caméras de surveillance» ny  ao  amin’ny  fitsarana manontolo  hialana  amin’ny  fisian’ny  tsolotra  sy kolikoly  samihafa  izay  mampikaikaika  ireo manana  raharaha  eny  anivon’ny Fitsarana.  Marobe tokoa  mantsv  ireo misolokv  maka vola, tsy ireo avy any ivelany ihany tsy akory, fa na izao mpiasa aza», hoy hatrany ny fanazavan’ny minisitra.

Volasoa R

 

 

[cool-timeline layout= »default » designs= »default » skin= »default » category= »en-violation-des-lois-malgaches-ranarison-tsilavo-nexthope-beneficie-de-428-480-euros-de-dommages-interets-dans-une-affaire-de-suppose-abus-des-bien-sociaux » show-posts= »10″ order= »DESC » icons= »NO » animations= »bounceInUp » date-format= »default » story-content= »short » based= »default » compact-ele-pos= »main-date » pagination= »default » filters= »no »]

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you