Tsy ekena intsony ny tsy maty manota hoy SEM Andry RAJOELINA – Reportage Kolo TV

Corruption MadagascarTsy ekena intsony ny tsy maty manota hoy SEM Andry RAJOELINA - Reportage Kolo TV

Ny hanombohantsika ny vaovao dia nivohitra nandritra ny lahatenin’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fianianana izay nataony ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanaraha-maso ny volam-panjakana. Ny fiaraha-mientan’ny tsirairay miainga avy any amin’ny mpitondra no antoka iray lehibe amin’izany raha ny fanadihadiana natao. Henri Flore

Firenena faha 155 amin’ireo firenena 180 i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly. Isa 124 no azon’i Madagasikara amin’ny tsy fisian’ny kolikoly araka ny tatitra navoakan’ny Transparency International Initiative Madagascar farany teo. Nivohitra nandritra ny lahateny nataon’i Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fianianany nataony tamin’ny sabotsy 19 Janoary lasa teo manoloana ny ady amin’ny kolikoly, indrindra fa ny tsy hanekena intsony ny tsimatimanota eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara.

Tsy azo ekena ny fanodikodinana volam-panjakana, ka ho hentitra ary ho enjana ny sazy ho an’izay tratra manao sy hanao an’izany. Tsisy olona ho ambonin’ny lalàna intsony eto Madagasikara, na iza na iza, ho averintsika malagasy ny tena tany tandalàna. Ho ataoko laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly, tatiko ny hisin’ny fitsarana marina tsy mitanila, atokisan’ny vahoaka ary tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaham-pitsarana.

Tsy vitan’ny filoha samirery ny ady amin’ny kolikoky fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny mpitondra tsirairay avy. Ilaina ihany koa ny fanaraha-maso miainga eny ifotoany.

Nisy ilay fiteny hoe tsimatimanota tsimatimanota, izany hoe misy olona tsy voafehin’ny lalana izany e, izay no tena tokony ho izy. Ka raha ohatra ka tany tandalàna dia tokony ho voafehin’ny lalàna daholo ny tsirairay na iza izy na iza izy; dia mety izay an, ary izahay koa dia miady an’izay. Be dia be anie isika no miady amin’izy io fa tsy manana hery amin’izay ny sasany. Dia matoa ny fanjakana foibe izany manao an’izay, ataoko fa mety ho hiety amintsika amin’izay angamba ilay izy. Ary io fanety be mahatonga ny firenentsika hahantra, tsy tonga any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny tokony ho any amin’ny fanjakana. Tsy afaka hanamboatra lalana antsika. Ny eto Madagasikara dia tsy misy ny, matetika adinontsika ilay fisafoana, fisafoan-draharaha, fisafoan-draharaha izany hoe inspection, izany anie, rahamisy périodique io a, dia foana tsikelikely ny kolikoly. Ny antsika anie ny zavatra alefantsika any dia tsy misy fanaraha-maso mihitsy, dia any iny dia any dia any. Raha misy izay fisafoan-draharaha matetika izay, tsy ho hisy io, mihena tsikelikely tsikelikely dia farany foana.

Nambaran’ny teo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar fa ilaina amin’izay fiadiana ny kolikoly izay ny hanomezana famantsiam-bola sy fanampiana ara-pitaovana ny rafitra misahana ny ady amin’ny kolikoly. Ilaina ihany koa ny fanamafisana ny fangarahagarahana momba ny vaovao ao amin’ny raharaham-panjakana. Hatreto mijanona ho fanontaniana mipetraka ny fandaminana sy ny fomba fiasa eo amin’ny Bianco, sy ny Pac, na ny Pôle anti-corruption ary ny Samifim, i Madagasikara anefa miharatsy toerana hatrany manoloana ny amin’ny ady atao amin’ny kolikoly, ary mijanona ho tsy misy tohiny avokoa ireo fanadihadihana momba ny raharaha goavana eto amin’ny firenena

Check out our other content

Check out other tags:

Most Popular Articles