Corruption MadagascarKandida depiote atidohana kidnapping tany Toamasina - Nomena fahafahana...

Kandida depiote atidohana kidnapping tany Toamasina – Nomena fahafahana vonjimaika i Hajanirina – Tia tanindrazana du 27 mars 2019

-

- Advertisment -spot_img

Nomen’ny Fitsarana Ambony Toamasina fahafahana vonjimaika i Manantena Hajanirina Dina izay voarohirohy noho ny fakana an-keriny. Nanao fanakanana ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany any an-toerana, saingy tsy afa-nanoatra.

Ny androtr’io ihany dia efa niala tao Toamasina an’Antananarivo ny tenany, raha ny fampitam-baovao. Nizarany ny hafaliany io fahafahany io ireo namany, ary koa ny nampahafantarany fa « tsy nisy nanampo ny nialany » tao am-ponja ny maro. Marihina fa voarohirohy ho niketrika ny fakana an-keriny ilay teratany karana Arman Kamis ny tenany ny volana novambra 2018, ary voasambotra tany Antsirabe ny volana desambra 2018. Niisa 8 ireo niara-voasambotra taminy. Nilaza ny tsy hanaiky lembenana amin’ny mety ho fanavotana sy fampanoavana tao Toamasina ny volana desambra 2018. Mahagaga fa tsy mbola notsaraina ity raharaha ity no izao nomena fahafahana vonjimaika izao ilay voalaza fa atidohan’io fakana an-keriny io. Kandida depiote mpisolo toerana amin’ny lisitra tsy miankina iray mirotsaka ao amin’ny distrikan’Ifanadiana i Manantena Hajanirina Dina, amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 27 mey 2019.  Mampiahiahy ny nahazoany fahafahana vonjimaika izay mety efa ela izany, fa natao nangingina matoa afaka nikarakara ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany izy. Toa manamarina izany rahateo ny vaovao nivoaka vao andro vitsy izay momba ny fisamborana azy indray, saingy io nomena fahafahana io. Misy amin’ireo dosie misy 14 karazany rahateo tsy maintsy fenoin’ny mpilatsaka ho fidiana, ka tsy maintsy eo imason’ny tompony no atao ny fanamarinana azy.  Tany aloha dia ny Vondrona MAPAR no nahalalana azy, ka asa na misy hifandraisany amin’izany izao fanafahana azy izao na tsia.

Toky R

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you