Houcine ARFAMe Hubert Raharison : Fanakorontanana saim-bahoaka ny raharaha Houcine...

Me Hubert Raharison : Fanakorontanana saim-bahoaka ny raharaha Houcine – Triatra 26 févier 2018

-

- Advertisment -spot_img

Nivahiny tao amin’ny TV Plus ny filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava, Hubert Raharison. Adihevitra manodidina ny tontolon’ny Fitsarana, ny asa sy ny andraikitry ny Mpisolovava no nivoitra nandritra izany. Voaresaka manokana nandritra io fandaharana manokana io koa anefa ny raharaha Houcine Arfa, izay niteraka resabe tokoa tato ho ato. Nitondra ny heviny manoloana izany indrindra ny filohan’ny holafitry ny Mpisolovava, Hubert Raharison…
“Mahavariana ahy ihany ny zava-nisy, satria ny zavatra nalefa mafy be sy novoizina tamin’ny hainoamanjery dia ny hoe nandray vola ny minisitry ny Fitsarana”, hoy i Hubert Raharison. Nametra-panontaniana teo anatrehan’izany ny filohan’ny holafitry ny Mpisolovava nanao hoe: “misy porofo ve izany zavatra aely ho ren’ny vahoaka izany?”. Nambaran’ity Mpisolovava ity fa nisy ny fanadihadiana natao momba an’i Houcine Arfa, ka avy tamin’izany no nahafantarany fa ny gadra tao Tsiafahy no nanao tsipaipaika nividianana “pâte” nataony sakafo satria tsy mety mihinana afa-tsy io karazana sakafo io i Houcine. Midika izany hoy ny filohan’ny Holafitra fa tsy nanam-bola izy tamin’ny fotoana nijanonany tany am-ponja. “Koa mipetraka araka izany ny fanontaniana: iza no nanome vola an’i Houcine Arfa, iza no nampanaterany izany vola voalazany fa nomeny ny minisitry ny Fitsarana izany, iza no olona mpifanerasera taminy tany am-ponja? Azo atao tsara mihitsy izany fanadihadiana izany”, hoy hatrany ny filohan’ny Holafitra Hubert Raharison.

Nitondra fanamarihana manokana momba ny minisitry ny Fitsarana am-perinasa ny filohan’ny Holafitra nandritra io fandaharana io , ka nilazany fa isan’ireo Mpitsara mbola tsy nandrenesana feo hafahafa na zavatra ratsy nandritra ny asa naha Mpitsara azy ny minisitra, Rasolo Elise. “Manana ny fahitako manokana momba ity raharaha Houcine Arfa ity aho. Inona moa no vesatra nanenjehana azy teo anatrehan’ny Fitsarana? Nisy fanerena fakana vola, ary fikasana hamono filoham-pirenena. Izany hoe, olona tsy madio dia mpandika lalàna tahaka izany indray ve no hovoizina amin’ny hainoamanjery? Tsy miteny aho hoe tsy azo enjehina izany minisitry ny Fitsarana izany fa mba tokony hisy porofo mitombina fa tsy filazana fotsiny dia ampy. Miendrika fanakorontanana saim-bahoaka miharo ambadika politika ny raharaha Houcine Arfa, ary ho fanohizana izany fanakorontanana izany ireny fitoriana napetrany tany Frantsa izay fantatry ny Mpisolovavany tsara mihitsy fa tsy manana fahefana amin’izany akory”, hoy ihany Me Hubert Raharison.

Manodidina izay raharaha Houcine Arfa izay hatrany, dia nanao antso avo ho an’ny fianakaviamben’ny Fitsarana ny filohan’ny Holafitry ny Mpisolovava, mba tsy hiroso amin’ny fanosoram-potaka, hitory ny minisitry ny Fitsarana amina zavatra tsy misy porofo. Hoy indrindra ny Me Hubert Raharison: “isika ao anaty Fitsarana indray ve no ‘ndeha hanoso-potaka ny minisitry ny Fitsarana amin’ity raharaha Houcine Arfa ity

 

 

 

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you