Dysfonctionnement de l'appareil judiciaire malgacheMinisitry ny fitsarana - Tsy hilefitra amin'ny fampiharana ny...

Minisitry ny fitsarana – Tsy hilefitra amin’ny fampiharana ny lalàna ny Fanjakana – Inona no Vaovao du 3 avril 2019

-

- Advertisment -spot_img

Mampihatra ny tany tandalàna ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy hijerena tavan’olona izany fa izay manao ny tsy mety, mahazo ny sazy sahaza ho azy. Misy anefa ireo andian’olona na vondron’olona zatry ny lalan-dririnina ka tsy mahazaka ny fampiharana ny lalàna. Kasain’ireo andian’olona vitsivitsy ireo hijanona ao anatin’ny gaboraraka foana ny Firenena. Hentira ny fanazavana nentin’ny minisitry ny Fitsarana Jacques Randrianasolo, omaly, fa « mahazo manohitra izay te hanohitra fa ny ministeran’ny Fitsarana tsy milefitra amin’izany (fampiharana ny lalàna) ». Notsindriany fa ny fampiharana ny lalàna dia « tsy hanavahana na iza na iza ary tsy ny fanaovana fitokonana akory no hampihemotra nyFanjakana amin’izany fampiharana ny lalàna izany ». Tsiahivina fa tamin’ny herinandro lasa teo, Mpitsara miisa efatra ao toamasina no namoahana didy fampiatoana amin’ny asany. Voalaza fan oho izy namoaka ilay lehiben’ireo mpaka an-keriny eto Madagsikara no antony. « Betsaka moa ny resaka mandeha momba ireo mpitsara miisa efatra ireo. Vao nandray ny asako aho dia nilaza fa io Haja io izay lehiben’nny mpaka an-keriny dia tsy mahazo avoaka fa io no tena atidohan’ny mpanao kidnapping. Hatramin’ny nidirana am-ponja, ohatry ny tsy nisy intsony ny kidnapping. Ny zoma sy sabotsy teo aho tany Toamasina, ny alatsinainy ny Praiminisitra dia samy namatrapatratra izany izahay kanefa ny talata dia navoaka ilay olona. Rehefa nandalina izahay dia ohatrany misy ambadika kolikoly ilay raharahra”, hoy ny minisitry ny Fitsarana nanazava. « Ara-drariny raha nahatonga tamin’ny asany ireo mpitsara ireo sady manana fahefana hanao izany ny Minisitra araka ny andininy faha 60 amin’ny Fitsipika mifehy ny mpitsara. Efa misy rahateo ny fanadihadihana misokatra momba izany ka ho hita eo ny tohiny », hoy izy nanohy. Momba ny fitokonan’ny Sampandraharahan’ny Fananana-tany, dia milaza ny minisitry ny Fitsarana fa zon’izy ireo ny migrevy saingy ny Fanjakana tsy hilefitra amin’ny fampiharana ny lalàna. « Ahoana moa azo anekena fa ny ville Elisabeth, ny zaridainan’Antaninarenina, ny Cercle Franco-Malagasy dia aminy kanefa fananam-pirenena daholo ireny? Izaho dia sarotiny amin’ny fitandrovana ny atao hoe fananantsika Malagasy. Misy lalàna eto, ka raha hanao gravy izy zony izany ka aleo izy hanao hifampitady eto fa ny lalàna tsy maintsy mihatra”, araka ny fanazavana.

Harilaza R.

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you