Corruption MadagascarRaharaha kidnapping tao Toamasina - Mpitsara ambony dimy naato...

Raharaha kidnapping tao Toamasina – Mpitsara ambony dimy naato amin’ny asany – Taratra du 28 mars 2019

-

- Advertisment -spot_img

Mpitsara dimy mianadahy, ao amin’ny Fitsarana ambony (Cours d’appel) ao Toamasina, no fantatra fa naato amin’ny asany, araka ny fanapahana navoakan’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Taorian’ny fanomezana fahafahana vonjimaika (LP) an’i Manantena Hajanirina Dina izany, voarohirohy tamina raharaha fakana an-keriny, tany Toamasina.

 

Nivoatra haingana ny raharaha momba ny fanomezana fahafahana vonjimaika (LP) an’i Manantena Hajanirina Dina, ilay voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamis, mpandraharaha tompon’ny orinasa Trans Fy ao Toamasina. Fakana an-keriny nalaza sy nahoraka tao Toamasina, ny volana novambra 2018 teo. Fantatra, omaly, fa mpitsara miisa dimy mianadahy ka mpampanoa lalàna ambony ao amin’ny sampam-pitsarana ambony Toamasina (cours d’appel) ny roa vavy amin’ireo no indray naaton’ny minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny asany. Raha nanontanian’ny mpanao gazety, nanana ny nambarany ireto mpitsara ambony ao amin’ny rantsam-piampangana  ambony “chambre d’accusation” ireto ary nilaza fa nitsara ny raharaha araka ny lalàna sy ny fanajana ny zon’olombelona araka ny fangatahana fahafahana vonjimaika ataon’ny olona iray ka izany ny antony nanomezana fahafahana vonjimaika an’i Hajanirina Dina. Nohamafisin’ireto mpitsara ao amin’ny rantsam-piampangana ambony ireto hatrany fa nandritra ny raharaha fakana an-keriny tany Toamasina, tany Antsirabe i Hajanirina Dina ary tsy tratra ambodiomby izy ary nisy vavolombelona izany. Nametraka ahiahy momba an’i Dina, noho izany, ireto mpitsara eo anivon’ny rantsam-piampangana ambony ireto. Nambaran’ireo mpitsara fa hoe tsy nisy ny tsindry fa araka ny lalàna ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo.

 

Tsy nahafantatra ny fampiatoana azy…

 

Misy amin’ireto mpitsara ireto aza no tsy nahafantatra akory ny fampiatoana azy tamin’ny asa raha tsy tonga hamonjy fotoam-pitsarana, omaly. Voalaza fa mbola fampiatoana am-bava fotsiny fa tsy an-taratasy ny fampiatoana azy ireo. Tetsy ankilany kosa anefa, raha ny loharanom-baovao hafa voaray, nisy ihany ny tsindry nahazo ireo mpitsara momba ity raharaha ity. Nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fotoana nandalovan’ny praiminisitra tao Toamasina ity fanomezana fahafahana vonjimaika ity. Nisy ny fivoriana niarahan’ny praiminisitra sy ny OMC tao amin’ny lapan’ny Faritany izay nifantoka manokana tamin’ny fandinihana ny raharaha fakana an-keriny, ny fanafihana mitam-piadiana ary ny halatra lavanila. Nohamafisin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta tamin’io fotoana io fa ezahina ny hanafoanana ny tsy fandriampahalemana miseholany any an-toerana. Tsy ekena ny fanomezana fahafahana vonjimaika mifandraika amin’ireo heloka telo voalaza teo (fakana an-keriny, ny fanafihana mitam-piadiana ary ny halatra lavanila), araka ny nambarany tao amin’ny fivoriana. Manoloana izao raharaha izao, haverina am-ponja indray izany i Hajanirina Dina?

Sajo sy J.C

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you