Dysfonctionnement de l'appareil judiciaire malgachetany mirefy 5.300 ha nambolena mangahazo nanomboka 1902 np...

tany mirefy 5.300 ha nambolena mangahazo nanomboka 1902 np namoahana didim-pitsarana hafahafa tao Moramanga – Midi madagasikara du 6 novembre 2018

-

- Advertisment -spot_img

Raha noheverina fa nilamina ny raharaha orinasa « féculerie de Marovitsika » kaominina Belavabary Moramanga, sy ireo taranaky ny mpiasa niasa teo aloha teo anivon’ity orinasa ity, dia tsy izay no zava-misy ankehitriny. Manana tany mirefy 5.300ha ny orinasa izay efa nampiasainy hatramin’ny taona 1902 namokarany mangahazo nanodinana ny « fécule » novokarina hatramin’ny taona 2013 nikatonan’ny orinasa noho ny olana ara-teknika. Mpiasa raikitra 70 no nampiasaina nandritra izany, raha manodidina ny 150 ireo mpiasa an-tselika izay mbola ampiasain’ny orinasa sy mahazo ireo tombontsoa rehetra hatramin’izao. Misy olom-bitsy izay taranaky ny mpiasa tao amin’ny orinasa anefa izao manakorontana, ka miantso vahoaka hikomy amin’ny tompon-tany sy niantso mpanao politika mihitsy hiaraka amin’izy ireo, ka isan’izany ity filohan’ny fampielezankevitry ny kandida iray ho filoham-pirenena nanao fampielezan-kevitra tao, na tsy nahazo alalana tamin’ny tompon-tany aza. Nisy mihitsy ny fandrahonana ny tompon-tany sy ny fitsarana nataon’ity talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida ity nandritra izany, ka niteraka didy hafahafa tao amin’ny fitsarana tao Moramanga. Ny tompon-tany indray no tsy mahazo mandroaka ny olona mangalatra ny taniny. Vokatr’izay dia nitafa tamin’ny mpanao gazety mihitsy ny mpisolovava an’ireto tompon-tany ny zoma 02 novambra teo, ny Me Razakasolo Fara. « Aoka tsy horahonana amin’ny asany ny fitsarana, fa aoka halalaka izy amin’ny famoahana ny marina”, hoy ny Me Razakasolo Fara. Ho an’ity mpisolovava ity dia olona tsy mahay ny tantaran’ity tany ao Marovitsika ity akory ity talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida sy ity zanaka iray mpibizina ity, ka sahy milaza mivantana fa hizara ny tanin’olona manan-tompo sy handoavan’ny hetra ara-dalana amin’ny fanjakana sy ny kaominina amin’ireto olom-bitsy mpiady tany ireto. Fanapotehana orinasa sy fanimbana ny fampiasam-bolan’ireo mpandraharaha izao zava-misy izao, ka tsy azo ekena, hoy hatrany ity mpisolovava ity. Efa nampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ambony eto Toamasina ny tompon-tany ho fiarovana ny fananany sy ny fampiasam-bolany ary ny fiarovana ireo mpiasa ao aminy sy ny asa sosialy anampiany ny vahoaka any an-toerana.

Malala Didier

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you