Justice populaire à MadagascarVerdict des trois inspecteurs de police tués à Ambodizina,...

Verdict des trois inspecteurs de police tués à Ambodizina, les meurtriers écopent seulement de 5 ans d’emprisonnement, pour le meurtre de Brickaville de 20 ans et celui de Toamasina II, la perpétuité – Midi madagasikara du 4 novembre 2019

-

- Advertisment -spot_img

“Sanatria ve ka fatim-biby ny fatin’ny havanay izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao Ambodiazinina…”, izay no tenin’ireo fianakavian’ireo inspektera telo maty noho ny fitsaram-bahoaka nataon’ny fokonolona azy ireo tao Ambodiazinina Fenerivo atsinanana. Mbola nohamafisin’ireto fianakaviana ireto hatrany fa “iraka ara-panjakana misy taratasy ara-dalàna sy karatra maha-polisy azy no nataon’izy ireo, nefa ny meloka indray ankehitriny no nomena rariny, aiza ny zon’olombelon’ireo polisy nisy namono.”. Isan’ny mampalahelo ireto fianakaviana ireto ny didim-pitsarana ady heloka tsotra nivoaka, satria raharaha samy vono olona ihany no niara-notsaraina tamin’ity raharaha ity, nahoana ny Ambodiazinina mahazo 05 taona fotsiny nefa ny hafa tao Brickaville sy Toamasina II nomena sazy 20 taona sy sazy mandram-pahafaty am-ponja. Ny tena mampanontany tena ireto fianakaviana ireto ihany koa araka ny nambarany dia vao nitranga ny famonoana feno habibiana tany Ambodiazinina dia nijoro ny syndikan’ny Inspektera ny polisy fa tsy hanaiky mora ny raharaha; toraka izany koa ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka sy ny tale eto Toamasina. Noho ny tonga anefa ny fitsarana ny raharaha dia na iray aza tsy misy hita izy ireo, na mpisolovava iray aza tsy mba niantohana na nifanampiana tamin’ny fianakavian’ireo polisy maty akory nataon’ny syndika ny inspektera sy ny minisitera ary ny talem-paritra eto Toamasina. Mahita koa ireto fianakaviana ireto fa kitoatoa be ny fanadiadiana izay nataony polisy ihany ka nanadiso ny fitsaran’ny fitsarana ady heloka be vava tsotra, hany ka maro tamin’ireo heverin’ny fianakaviana fa meloka no nohafahana, ary misy mihintsy ireo olona tokony ho voaroiroy tsy nampidirina anaty antontan-taratasin’ady mihintsy. Manao antso avo amin’ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny minisitry ny fitsarana ireto fianakaviana ireto mba hijery akaiky ity raharaha nahafaty inspektera na polisy telo lahy be izao ity.

Malala Didier   

 

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you