ERNAIVO FanirisoaSyndicat de magistrature de Madagascar - EMISSION SPECIALE DU...

Syndicat de magistrature de Madagascar – EMISSION SPECIALE DU 08 FEVRIER 2019 BY TV PLUS MADAGASCAR

-

- Advertisment -spot_img

Ampitiavana tompokolahy sy tompokovavy no hitondranay indray ny arahaba ato anatin’ity fandaharana manokana ity. Amin’ny faha 15 ny volana Febroary hoavy izao no hanatantrehana ny fifidiana izay ho Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara vaovao na ny filohan’ny SMM izany.

Izany no hanasantsika olona roa manodidina izay resaka izay androany dia Andriamatoa Clément Jaona izay kandida amin’io fifidianana filohan’ny SMM io. Miarahaba anao tompoko.

Misaotra mankasitraka Mr Abrahama sy ny TV Plus amin’ny nanasana anay amin’izao fandaharana manokana izao ary miarahaba antsika rehetra mpihaino ny TV Plus na eto an-toerana na any ivelany, indrindra isika mpitsara rehetra tsy ankanavana manerana an’i Madagasikara.

Nasaintsika ho an’ity androany alina ity ihany koa ny Filoha lefitra ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara Ramatoa Ralaivaorisoa Josianne. Miarahaba anao tompoko.

Miarahaba anao Andriamatoa Abrahama Razafy ary miarahaba ny mpijery ny TV plus rehetra rehetra manerana an’i Madagasikara sy manerana ny nosy.

Araka ny nambarantsika teo dia tanterahina amin’ny faha 15 ny volana Febroary hoavy izao ny fifidianana izay birao vaovao ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara. Tsara ihany anefa mialohan’ny tena idirantsika amin’izay mba hitondrana fampatsahivana kely ny tantaran’ny birao nisy teo aloha teo izay nofidiana tany amin’ny 2016 tany.

Eny ary, ny birao izay mifarana ny asany amin’izao fotoana izao alohan’ny hanaovana ny fifidianana vaovao dia natsangana tamin’ny 08 Desambra 2016. Hatreo izany dia 2 taona tamin’izany no mbola tokony mandat-ny biraon’ny SMM izay tarihin’ny atao hoe Filoha moa izany, izay fantantsika fa izy moa iny hitantsika fa nilatsaka ho filohan’ny repoblika iny; dia izay no mahatonga hoe iza no mitarika ny SMM rehefa nametra-pialana izy nilatsaka ho candidate tamin’ny présidentielle dia collégiale izany no ni-diriger ny biraon’ny SMM izay ahitana sampana 4 eo amin’ny fitsarana: judiciaire, administrative, financière, ampatsahivina kely moa ny faha-efatra Mr le vise-président teo aloha, administration du ministère. Dia ireo entité anakitelo ireo izany no lasa mi-diriger collégialement ny sendikan’ny mpitsara. Rehefa nandeha moa izany taty amin’ny 07 Mars 2017, izay vao nandray ny asany ny birao vaovao, satria nahoana, taratara no nahatongavan’ny valim-pifidianana rehetra manerana ny juridiction teto Madagasikara. Dia tamin’izay nisy ny assemblé général izay natao tamin’ny toerana anakiray ka nanapahana fa hoe andao indray ary atao 3 taona satria fohy loatra ilay 2 taona, tsy dia be ny zavatra vita, dia tsy ahavitana zavatra be moa izany fa tsy hoe tsy dia be ny zavatra vita. Dia natao manomboka amin’izao izany, amin’izao birao vaovao izao rehefa lany vita ny fifidianana dia ho 3 taona indray izany ny mandat-ny birao SMM, ny fotoana hiasana. Izay ngamba no azo ampatsahivina satria amin’ny 15 Febroary izao hanentanana ny mpitsara rehetra manerana an’i Madagasikara handray anjara amin’ny fifidianana ny filohan’ny SMM vaovao, taona vaovao, fomba fiasa vaovao, izay ngambany no azo ambara ny amin’iny Mr Ambrahama Razafy.

Ia, telo taona no fepo-toana niasan’ny birao teo aloha, roa taona fa hiditra amina 3 taona amin’izay isika amin’ity. Anankiroa ny kandidat hifaninana ao anatin’izay fifidiana izay. Anisan’izany miaraka amintsika eto Andriamantoa Clément Jaona. Tao anatin’ny birao teo aloha ihany ianareo na izany na tsy izany. Tsara horesahana ny hoe inona ny bilan na ny zavatra vitan’ny birao nisongadina nandritra an’izay fotoana notantanan’ny birao teo aloha izay.

Maromaro ihany ny zavatra vita, raha ny tolona sendikaly natao tao amin’ny SMM. Ka hitantsika tamin’izany ny tolona izany, ireny travaux de commission tany amin’ny primature ireny, ary ireny asa rehetra rehetra sy fitakiana rehetra rehetra dia vita tamin’iny travaux de commission iny ary nomena ireo minisitra nifandimby. Hatramin’izao izany mbola iandrasana ny valiny, manaraka an’izay izany ny fitakiana moa dia tsy maintsy mipetraka ihany ny fitakiana ny indépendance de la justice, fampiharana ny fanjakana tandalàna. Ary raha amin’izao fotoana izao dia tena mahavelombola anay mpitsara mihitsy ny fanambarana izay nataon’i president de la république fa hankatoa tsara, hampanjaka ny fanjakana tandalàna. Ka inona no misy hatramin’izay, ny misy hatramin’izay mankony saika, raha ny fampiharana ny fanjakana tandalàna, ny lalàna dia saika natao ho an’ny daholo be fa tsy ho an’ny mpitondra, ary izany no mahatonga ilay lazaintsika hoe fitsaram-bahoaka. Mahatsapa izany ny vahoaka sy ny olona madinidinika ambany fa tsy mihatra amin’ny olon-drehetra ny lalàna, izay no mahatonga azy hoe lazaintsika amin’ilay langage mahazatra hoe: fitsaram-bahoaka, Amiko aloha ilay izy tsy fitsaram-bahoaka fa famonoana olona ankitsirano. Satria ny fitsaram-bahoaka misy eto Madagasikara izao ohatra amindry zareo Atsimo hoe kabary ambolo kily, kabary ambody madiro na malo na kabary na kabary andonaka, amin’ireny no tena fitsaram-bahoaka ireny satria ny olona voahenjika, ny fiaraha-monina sy ny mpiaro azy dia samy henoina. Fa amin’ity ilay lazaintsika, ilay lazaiko hoe famonoana olona ankitsirano ity tsy misy mihitsy ny fihainona ny feon’ilay olona lazaina fa enjehina amina zavatra anankiray. Ka mankasitraka izahay izany amin’ilay filazan’ny fanjakana amin’ny fampiharana ny fanjakana tandalàna, ny hita izao eto ohatra nataon’ny Praiminisitra hoe, la première fois ngambany, na ireny minisitra nomena avertissement raha ohatra ka ni-brûler code de la route, ny chauffeur voasazy. Ka faharoa ny hita izao raha ny eto an-tapontanana an’Antananarivo sendra amin’ireny cité des jardins amin’ny sisin-dalana ireny, ny polisy efa mi-rappeler ny olona hanaraka sisin-dalana, fiantombohan’ny zavatra lehibe izay eto anivon’ny firenena amin’ny fanajana ny fanjakana tandalàna ka miobon-kevitra tanteraka amin’izay izahay izany izao hatreto.

Tena vitan’ny birao teo aloha ve ny nametraka an’izay karazana hoe indépendance na justice fametrahana ilay état de droit izay, tena nisy ve izay raha ho an’ny birao teo aloha?

Toa manontany ianao hoe, vita ve?? Izahay tsy hiambo hoe nahavita, fa kosa ny lakolosy nosontominay foana, hoe andao hosontomina ny lakolosa satria tadidio, ny fanjakana mandalo, ny olona mipetraka, l’homme passe mantsy e, la nation reste. Ka raha ohatra sy tahaka ahy, samy mangala ny responsabilté ny olona tsirairay izay ohatran’ny nataon’ny SMM. Miteraka resabe izay rehetra natao fa kosa mahatsapa izahay fa nisy akony ihany ilay izy, satria aminay fanjakana mifandimby, anjaran’izay mandimby no manatanteraka ny tsy vita teo aloha. Ka manantena izahay sady mino fa izay rehetra nolazaina tato anivon’ny SMM mba misy nipitika ihany any amin’ny sofiny mpitondra ka ahenoinay ankehitriny izany an. Izahay izany ohatrany mahatsapa, tsy hoe satisfait, ny sendika tsy dia hoe satisfait complètement fa mahatsapa kosa fa mba nisy zavatra ihany nohenoina amin’ireo rehetra notantarainy na dia io moa izany tsy misy olona tonga lafatra e, fa tsy maintsy misy foana, hoy ny vazaha hoe: les hauts et les bas amin’ny fiainana. Fa rehefa ohatra ka nisy tsy nety an, toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety harenina. Mbola mihevitra izany izahay, fa mihevitra izahay fa mbola hanao tsaratsara kokoa ary bebe kokoa mihoatra ny nataonay teo aloha.

Eo anivon’ny fiatraikan’ny eo amin’ny olom-pirenenena izany norehanareo izay, raha maha sendika an’azy moa dia miaro ny tombontsoa sy ny manodidina an’izay mpitsara izay. Aiza ho aiza kosa ny tena vokatra mahakasika an’ireo mpitsara amin’ny maha mpitsara azy ireo?

Ny zavatra andraikitran’ny sendika moa araka ny tenin’i Ramatoa vice-président teo fanairana ny lakolosy, manome hevitra, manao concertation sociale, partenaire sociale ny sendika. Raha ny zavatra nisy izany hatreto aloha, mba efa hitanay fa nihaino ny mpitondra fanjakana. Fa ny fanatanterahana ny zavatra atao moa tsy mora, ka ny zavatra rehetra rehetra notakianay taty amin’ny SMM dia efa noraisin’ny CSM koa izay, ary noraketina ho document no nalefa ho any amin’ny ministera. Misy izany amin’ireny zavatra notakiana ireny efa misy volavola na tolo-kevitra noraketina ho amin’ny lalàna na didim-panjakana nalefa any amin’ny ministera iarahana amin’ny CSM sy ny SMM izany ny hanatanterahana azy. Raha eo anivon’ny fiaraha-monina izany ny sendikan’ny mpitsara izany dia isan’ny niankinan’ny sendika rehetra rehetra teto Madagasikara, raha nojerena izany ny fihetsika teto dia saika ninoan’ny société civil koa ny fihetsika izay nataon’ny sendikan’ny SMM teto. Ka izay no nahatonga izao hoe, niarahana tamin’ny Friedrich ebert nisy mihitsy ny vina sendikaly natao 2018 à 2024 izay. Dia ireny vina sendikaly rehetra rehetra ireny na amin’ny secteur public na amin’ny secteur privé zavatra an-tsoratra ireny ho entina amin’ny mpitondra hoe ireto ny hetahetan’ny mpiasa rehetra eto Madagasikara. Ary ny andraikitry ny SMM tamin’izay dia ny lafiny araka ny lalàna.

Niteny Mr Abrahama Razafy, hoy ianao hoe inona izany ny anjara biriky nentiny sendika amin’ny maha sendika azy ho an’ny mpitsara satria alohan’ny hitantara, ohatra izao hoe sendika hafa SSM izay notaritin’ny SMM? Ny mpitsara aloha ny SMM no voalohany indrindra. Tena nanao ary nitaky be dia be, sarotra be manko indraindray rehefa mandeha ny assemblé général manazava an’ilay izy amin’ny namana. Fa ny zavatra azo tenenina, nisy fitakiana nataon’ny mpitsara. Tsy ela izany izay, tamin’ny minisitra teo aloha, ilay talohan’izao, nanao fivoriana niarka tamin’ny ministera araka izay notenen’ny kandida ho filohan’ny SMM teo izay, nametraka mihitsy , ary efa vita an-tsoratra, inona izany ny zavatra notakiana, tena hoe, tsy nomena moa izany fa ohatrany ni-accorder sur les principes, principes mantsy izany vao concrétisation. Dia ny principes rehetra efa accepter daholo, ohatra fotsiny no omenay, ny amin’ny hoe rehefa misotro ronono ny mpitsara. Izaho manko teto efa niteny indray mandeha izay hoe lasa katramy nge izahay ireto rehefa ohatra ka, satria tsy arakaraka ny zavatra iainanay sy takiana aminay ny tambiny omena anay rehefa avy eo, sy rehefa mba misotro ronono izahay, ronono efa matsatso, lasa matsatso be ilay ronono dia tsy mety, fa kosa ohatra mba nekeny. Ny voalohany aminay fitsarana moa izany dia ny ministeran’ny fitsarana no mi-diriger anay, no iankinanay plutôt. Dia nanaiky an’izay ny ministeran’ny fitsarana hoe ataovy ary fa ho entinay eny amin’ny fanapaha-kevitra satria mantsy isika mahalala hoe tsy maha-tapa-kevitra irery na ny ministera iray ary, fa misy hoe conseil des ministres, conseil de gouvernement. Efa vita daholo izay rehetra rehetra izay an, miandry ny vokany izahay sisa. Ary mino izahay fa hahazo, izay ny finoanay, manana finoana hono.

Ny mahatonga ahy miteny an’izay mantsy dia be dia be ny zavatra nolalovan’ny sendika tao anatin’izay roa taona izay, betsabetsaka ny nafanafana, nisy notehafana ny sendika tamin’izany fotoana izany. Betsabetsaka ihany koa ireo tao anatin’ny fiainam-pirenena noresahana, fa teo ihany koa na izany na tsy izany voaresaka teo ohatrany ny mahakasika ny hoe resaka fitsaram-bahoaka, ny resaka kolikoly eny anivon’ny fitsarana. Ahoana indray ny tetikady mety ho entina hamerenana izay fitokisana ny olom-pirenena tsirairay ny fitsarana Malagasy izay?

Ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana no karazany hoe maresaka be. Ny antony mamparesaka azy dia izao, mitovy loatra ny salan’isa ny olona afa-po sy ny tsy afa-po, hoe 50% ny afa-po, 50% ny tsy afa-po. Ary raha ny tsikera mahazo anay mpitsara izany sy ny fitsarana, tokony efa nikatony mihitsy ny fitsarana eto Madagasikara, kanefa tsy ohatran’izay ny zava-misy, fa mitombo andro aman’alina ny dossiers miakatra eny amin’ny fitsarana. Izay fitombon’ny dossiers andro aman’alina miakatra eny amin’ny fitsarana izay, midika fa betsaka, ataoko hoe io ihany ny olona matoky ny fitsarana. Ny raharaha, maresaka ilay kolikoly ety amin’ny fitsarana satria ety tsisy match nul, tsy maintsy misy resy. Ary amin’ny kolikoly raha ohatra ka misy ny match nul anie tsy henontsika e. Ka ny maha-sarotra azy, dia izay ilay olona tsy afa-po izay, izay no tena manana zava-maneno na sônô ohatrany sôman’i Rossy tamin’ny androny angambany, maresaka be ireny, fa ny olona tsy afa-po, ny olona afa-po azafady dia tsy dia henonao feo loatra. Ka izay no mamparesaka an’io, ka ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana, eo koa amin’izay raha ny eto amintsika ngambany vitsy ny olona manaiky an’izany fahaleovantenan’ny fitsarana izany, satria izao ny olona izay manana raharaha eny amin’ny fitsarana dia tsy manana reflexe izy hoe hitady avocat. Fa hiazakazaka hoe iza moa ny mpitsara hitsara io, iza no mpitsara hainareo any, izay dia efa milaza fa tsy fanekena fahaleovantenan’ny fitsarana. Misy ny fahaleovantenan’ny fitsarana raha ohatra ka lasa kolontsaina eto Madagasikara ny hoe avelao ny fitsarana hanao ny asany. Izay izany no mbola tsy kolontsaina eto amintsika aloha. Ny kolontsaina eto amintsika, raha misy raharaha mandalo eny amin’ny fitsarana dia hoe iza no mahalala mpitsara, iza no mahalala greffier. Izay izany ny fipetrakany ny hoe indépendance de la justice. Misy aloha ny indépendance de la justice, ny antony mbola tsy aro nisy mpitsara voasazy amin’ny didy izay navoakany, satria ny didim-pitsarana dia tsy maintsy misy foana ny fanazavana na ny motif ao anatin’ny didim-pitsarana. Ary raha ohatra ka tsy ampy, na tsy misy izay, izay ny mpitsara namoaka an’ilay didy vao mety voasazy na ilay didim-pitsarana frapper-ny appel na cassation.

Mety hanampianao an’izay, ahoana ny fomba hamerena an’izay fitokisan’ny olom-pirenena tsirairay avy ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara ?

Ny voalohany indrindra ngambany Mr Abrahama Razafy, hoe tontolon’ny fitsarana, inona moa no ampiasainao, ny didim-pitsarana, lalàna no ampiasaina. Ny tena problème izany an ny tsy fahaizan’ny olona koa an’ilay lalàna. Raha hiresaka izao isika « indépendance de la justice », vitsy ny olona mahalala ankoatran’ny tontolon’ny fitsarana hoe partiellement l’indépendance existe, partiellement hoy aho, satria nahoana, ny resaka juge mpamoaka, ny mpitsara mantsy ataon’ny olona juge daholo ny rehetra rehetra. Ny mpitsara misy karazany roa izany raha ohatra atao faran’izay tsotra ny fanazavana, dia ny mpamoaka didy sy ny ato amin’ny fitakiana ny fampiharana ny didy. Ny tonia mampanoa lalàna ambony io. Io mantsy samy manana ny anarany izy amin’ilay ambaratongam-pitsarana anakitelo dia ny hoe: ambaratonga voalohany, ambaratonga ambony, ambaratonga any amin’ny tampony, cours suprême. Dia misy foana ny atao hoe mpitsara mpamoaka didy. Misy kosa ny mpitsara ato amin’ny atao hoe ministère public. Io mpisatara mpamoaka didy io izany rah any principe no arahina independent io, izay ny principe, izany ny la logique, hoe ny mpitsara mpamoaka didy an dia masin-teny, mahaleotena amin’ny didy izay avoakany, noho ilay principe manao hoe: appreciation souveraine du juge. Fa ny ato amin’ny mpitsara amin’ny fampanoavana, na fampanovana aty amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany io na amin’ny fitsarana ambony cours d’appel na amin’ny fitsarana antampony cours suprême dia mipetraka foana ilay atao hoe subordination hiérarchique, asa izay angamba izay principes izay no tokony amboarina kely e; hoe ahoana moa ny fipetrak’ilay subordination hiérarchique izany hoe mandray baiko fa raha ny marina izany juge du siège ilay mpamoaka didy tsy mandray baiko fa misy ihany ilay indépendance. Fa ilay resaka indépendance de la justice anie c’est très politique e. Raha vao atao fitaovana ho an’ny politika ny fitondrana, ny fitsarana; dia tsy hisy mihitsy ny atao hoe indépendance de la justice. On se sert de la justice pour assouvir son pouvoir. Raha vao izay no mipetraka dia miteny aminao aho Mr Abrahama Razafy fa na ho tapitra ary ny siècle hatrany amin’ny taona firy an, tsy hisy izany indépendance de la justice izany. Fa toe-tsaina io an, culture io an, anjaran’izay mpitondra mifandimby eo an no mametraka hoe ahoana marina moa izany, satria izahay tsy afaka andeha hiteny hoe izahay ange indépendant fa raha hoe partiellement hoy aho amin’ilay resaka principe juridique mipetraka ny hoe tsy azo baikona ny mpitsara mamoaka didy. Misy ihany, fa ilay avy ato izay mitaky ny fampiharana ny didy ilay application de la loi, ilay application de la loi moa tsy dia natao hoe hanagadrana foana anie fa hoe ampiharo amin’ny tokony ho izy ny lalàna, mety manasazy, mety koa anefa manafaka. Satria ny olona tsisy eo ambonin’ny lalàna. Izany izany, arovan’ny fampanoavana izay zavatra izay hoe, ny fomba fampiharana ny lalàna manafaka, manala. Fa ato izany an, mamoaka ny didy amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, izay tsy tokony ho baikona amin’ny didy izay ataony fa. Ary ireny ilay olona mibaikobaiko ireny tokony hanao sonia koa izy e, hoe izaho dia nibaiko fa izao ny didy avokoa dia amin’izay samy tsisy maratra sady tsisy maka lagy intsony.

Ny fijerin’ny olom-pirenena tsirairay ny SMM izany samy manana ny fomba fijeriny tao anatin’izay roa taona nitondran’ny birao teo aloha izay, araka ny nambarako teo, be dia be zavatra nolalovany. Na izany na tsy izany tsy ny olom-pirenena tsirairay no mandeha mifidy ny filohan’ny SMM fa ianareo samy mpitsara ao anatin’io ihany. Inona ny atao hoe programan’asa sy ny fampanantenana ho entinareo amin’ireo namanareo mpitsara ireo mba ahafahandry zareo misafidy hoe iza marina ny tena lalana tokony aleha?

Marina izany, ny zavatra misy moa raha izahay eto amin’ny plateau izao dia programme-na continuité ny zavatra nataon’ny bureau teo aloha izany satria tamin’izay izany ny fitakiana, ny fametrahana fanjakana tandalàna iny, ny fitakiana ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana ireny, famerenana ny restauration de l’état de droit, ireny izany mbola mipetraka. Ary ny fahitana azy amin’izao fotoan izao, raha hitohy ny fitondran’ny fanjakana ny fipetraka ny raharaha izao dia efa tafiditra amin’ilay fitakiana sy ilay hetahetanay ilay izy. Ny sisa nampitaraina ny olona izao amin’ny raharaham-pisarahana raha arakan’ireny débat-ny Sénateur ireny isika dia hoe be dia be hoy izy amin’ny faritra misy azy ny didim-pitsarana tsy mihatra. Izay izany ny fitarainana, ka ny tsara ho fantatrintsika vahoaka ireny, ny raharaham-pitsarana dia mifarana hatreo amin’ny famoahana didy. Rehefa vita ny famoahana didy, rehefa mivoaka ny didy dia afaka tanteraka ny fitsarana. Fa ny fanantanterahana ny didy araka ny hoe maha excecution azy izay, an’ny excecutif. Dia raha izay zavatra notenenin’ny Senateur izay ny izy dia any amin’ny solontenam-panjakana no tokony hiantefa izay fitakiana ny fampiharana didy izay. Satria ny andinin’ny faha 65-ny lalam-panorenana dia milaza fa ny premier ministre no manara-maso ny fampiharana ny didim-pitsarana. Dia ny solontenam-panjakana any amin’ny faritra izany, any amin’ny prefecture, ny lehiben’ny distrika, araka ny andininy faha 15-ny lalàna mikasika ny représentation de l’état dia ny hoe ny représentant de l’état représente le premier ministre. Ka izay fahefan’ny premier ministre amin’ny fanaraha-maso ny didim-pitsarana izay, any amin’ny solontenam-panjakana izany no tokony hiantefan’izay fa tsy tokony tany amin’ny minisitry ny fitsarana no ni s’addresser-na izay fangatahana izany. Izany izany ny zavatra hitanay ka mbola mametraka ihany izahay. Ny zavatra nahavoa ny présidente-nay teo aloha, karazana sahalan’ny zavatra incident, déclaration amin’ny maha president-ny république azy no nataony, vava latsaka iny, fa ny anay anie aina nafoy mihitsy mpitsara e, ary tsy misy olo-migadra mandrak’ity niany. Ka izay izany no zavatra hoe ny fampiharana ny lalàna tokony hitovy amin’izay, izay izany no takiana, ary ny fiarovana ny mpitsara eo amin’ny fandalovana codis sanatria ny vava, iny no mbola entohan’ny sendika, tsy maintsy eny foana ny SMM miatrika sy misolotena na mi-assister ireo olona mety hiaran’ny, mety hiaran’ny sazy.

Amin’ilay hoe fiarovana ny mpitsara an, atsipinay ity mba araraotinay kely, na izahay eto amin’ity plateau ity, ny asan’ny fitsarana nge re olona ka sarotra e, sarotra, dia izay izao asiana hoe indemnité de risque moa, izay tsy mahavidy ny risques-nay akory ny valeur-ny, kanefa ihany koa raha ohatra izao izay matériellement parlant nisy circulaire izay navoaka, navoakan’ny fanjakana, hoe ny vitre fumée dia ireto ihany no olona afaka manao azy, ny minisitra e, ny autorités e, ny izao e, ireo nga misy risques? Fa ny mpitsara kosa tompoko an, tadidio fa nisy namany mpitsara an, izy ao amin’ny efitra fitsarana, ny tômôbilina-ny an mipetraka ao amin’ny parking. Fa nivoaka avy tao amin’ny parking izy a, soratsoratra kiakakiaka satria tezitra ilay olona satria nogadraina ny havany, fa iza amin’ireo fa tsy fantatra hoe iza izany no nanakiaka azy. Entiko ilazana hoe ny risques, izany ary mbola tômôbilina no nataony. Ilay vitre fumée io ange ka hoe dossier-panjakana no entinao a, dossiers sensibles no entina ao an, dia mba anatina ordinateur iray izao raha lasan’ny jiolahy any iny, ao daholo no mety momba anao manavakavaka anay io ary, mety ao anatin’iny daholo, dia ho hitan’ny olona. Ka izahay izany tsy tokony mba ahilikilika fa mba tokony ampidirina ao anatin’ilay sokajy satria izahay mandray ny miaramila hoe officiers generaux nosoratana eo. Ry zareo mbola manana basy e, mbola manana miaramila, garde du corps e; fa izahay sady tsy misy garde du corps, tsisy basy tsisy n’inon’inona, izahay nefa manana risques be dia be, dia maninona izahay raha mba avela manao an’ireny vite fumée ireny ihany koa, mba amin’ny asanay, mba hiarovana anay. Ka izay izany mba apetrakay amin’ny fitondram-panjakana, hataka manokana ho an’ny mpitsara mba ataovy anatin’ny lisitra mi-bénéficier an’izany koa ny mpitsara ho fiarovana anay amin’ilay risques

Manana zavatra ambara ohatran’izao indray izaho manko, amin’izao fotoana izao, ny fitondrana ny raharaham-panjakana eto Madagasikara dia fangaraharahana. Dia inona moa ny raison d’être an’ilay vitre fumée, inona no asitrika ao anaty tômôbilina amin’ny fangaraharahana. Ka tokony ho hitan’ny olona ilay izy, tsy misy zavatra afenina anie ao e. Ka tokony, tsy tokony hoe , na izy io generaliser-ny na izy tsy ho asiana. Izay aloha ny hevitrako amin’ilay izy raha ohatra ka hoe foto-kevi-dehibe hoy aho, mba ho hitan’ny olona modely izao na ny Premier Ministre teo an, rehefa tratran’ny emboutaillage izy dia nandeha tongotra, ary maro be ny olona manao izany. Ohatran’izany izao hoe, hitan’ny olona hoe inona no afenina ao anatin’ny voiture fumée, fa farafaharatsiny hoe hangataka porte d’arme ohatra, dia ny asa rehetra rehetra samy misy risques aby, izay.

Hanaovantsika adi-hevitra manokana mihitsy moa ilay resaka vitre fumée iny fa be dia be ihany koa no mangataka ho ampidirina ao anatin’iny lisitra iny. Fa mamarana ny fandaharana isika dia, raha mbola misy tianareo aterina farany ao anatin’ity dia fotoan’izao.

Voalohany, ny famaranana ny fitenenana dia misaotra antsika teto amin’ny TV plus sy ny mpanaraka nanaraka an’ity fandaharana manokana ity, ny foto-kevitra lehibe izay hitondrana ny sendika dia mbola tsy misy fiovana loatra fa mbola tohin’ny programa nisy antsika hatramin’izay sy ny fitakiantsika rehetra dia tsara hatramin’izay. Ny zava-baovao izao any ny fangatahan’ny sasany, namana amin’ny mba hoe hahazo hitazona basy. Fa mihabe andro aman’alina ny risques-ny mpitsara, ary efa maromaro ary ny sasany izao ohatra tany Morondava ohatran’ny tamin’ny taona iray izay, tranona Procureur mihitsy no novakian’olona, zavatra ohatran’izany saro-pady. Ka hotazomintsika ny fitakiana mikasina ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ny fanajana ny fanjakana tandalàna. Izany ny fanajana ny fanjakana tandalàna izany tsy mijanona amin’ny hoe fampiharana ny lalàna fotsiny fa fampiharana koa ireo didim-pitsarana rehetra izay hita fa didy raikitra tokony ampiharina. Mankasitraka antsika rehetra mpitsara, manentana antsika rehetra mpitsara mba ho tonga hifidy ary mba ho pourcentage maro ambonimbony no pourcentage hahalany izay ho filoha eo mba ahafahana maha bebe feo amin’ny fitakiana izay mety ho atao, mankasitraka, mankatelina antsika rehetra naharitra nihaino hatramin’ny farany.

Hamaranako azy ngambany dia ampahafantarina ny mpitsara rehetra rehetra fa roa izany ny kandida antsika dia Andriamatoa Clément Jaona sy misy hoe Mr James izay, fa tsy hoe akory hoe manilikilika azy izahay an, satria tsy manonono azy mihitsy eto. Fa fifidianana midika hoe tsy olona iray fa misy ambonin’ny anankiray. Satria efa nihidy moa izany ny fametrahana candidature. Raikitra izany fa anankiroa ny kandida. Ny fanentanana ataonay izany amin’ny maha vice-présidente-ny SMM amin’ity birao farany alohan’ny hidiran’ny vaovao ity an dia ny mba hahatongavan’ny mpitsara maro be mba handrya anjara amin’ilay fifidianana, fa amintsika arivo latsaka ny isa an, tsy tokony hoe olona 200, 300 fotsiny no mifidy fa mba farafahakeliny mba crédible kokoa ny fitsarana sy ny valim-pifidianana, mba hampisy lanjany an’ilay olona fidiana, zava-dehibe mantsy izany amin’ny fiainana satria hoe 100% nefa mety hoe 20% ny tena marina rehefa avy eo, tsy mety izany. Fa aoka mba hoe farafaharatsiny ny antsasa-manila ny mpitsara mba tonga mifidy izay ho filohan’ny SMM vaovao. Izay ngambany ny teniko farany Mr Abrahama Razafy fa dia misaotra.

Eny ary, misaotra anareo nanaiky nasainy teo amin’ny plateau-ny TV plus Madagascar amin’ity alina ity. Ampatsahivintsika fa ny vahinintsika androany dia Andriamatoa Clément Jaona, kandida amin’ny fifidiana filohan’ny SMM sy Ramatoa Ralaivaorison Josianne izay Filoha lefitra ny SMM. Izay ihany koa no entina mametraka ny veloma amin’izao alina izao ary mametraka ny veloma amin’ny manaraka indray ary. Veloma tompoko.

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you