Corruption MadagascarAntananarivo. Vehivavy mpitsara manala-baraka ny mpitsara malagasy rehetra !...

Antananarivo. Vehivavy mpitsara manala-baraka ny mpitsara malagasy rehetra ! hoy Antsa Ramaroson – Mpanao gazety Midi Madagasikara

-

- Advertisment -spot_img

Mbola ho fantatra ny tena anaran’io vehivavy mpitsara mivadika ondana tsy mahay mitsara tena sy ilay mpamily Hvm, fa ity aloha ny toe-javatra mampahonena nitranga ka tantarain’ny zandry mpanao gazety Antsa Ramaroson. Andao aloha ary.

« TSY RARINY !

Iza aminareo namako mpanao gazety no efa nahita ahy niteny ratsy na nanopa olona ? Tsy mahavita izany aho na tambazana aza.

Misy nefa magistrat manendrikendrika ahy sy ny zokiko vavy miaraka amin’ny vadiny, fa nanopa sy niteny ratsy azy hono izahay. Ary dia teny ratsy be tsy sahiko soratana eto mihintsy no nataony ao anaty plainte lazainy fa navoaky ny vavako. Anio ny déferrement eny amin’ny parquet. Ny nahatonga azy manenjika anay ? Izao ary ny tantara:
Ny lundi de pentecôte 21 mai tokony tamin’ny 6 ora sy fahefany hariva dia nanao accident ny fiara sprinter an’ny zokiko. Chauffeur no nitondra azy avy nanao location nitondra mpitsangatsangana. Rehefa niantso ny zokiko ilay chauffeur dia niteny hoe « nisy golf nandona izahay efa niala lavitra saika lasa tany antanimbary fa mbola voa iany. Ilay mpamilin’ilay golf mamo be ary ilay ramatoa milaza fa tompony hono mpitsara sady mampideradera karatra misy tsipika maitso sy mena. Sady mifandramatra amin’ny olona mitangorona eo ry zareo ». Eny, nanome tsiny azy ireo hoy ny mpijery nanatrimaso ka nanomboka teo ny fireharehàna hoe misy rangahy huissier de justice sy ramatoa magistrate hono amin-dry zareo fa iza no mafy be… araky ny fitantaran’ny vavolombelona.
Namonjy teny antoerana io zokiko io noho izany ary niantso gendarme fa tsy nety nanao constat izy ireo fa efa nahazo tsindry iany koa hono. Teo dia nanao vava ity mpitsara ity hoe  » assurance ihany no miantoka an’io ary mipetraha tsara fa tsy fantatrao ny olona fantatro… »
Niantso ahy ilay zokiko avy eo hoe inona no atao, hiaraha mahalala fa miala foana ny assurance rehefa misy mpamily mamo. Nidina teny antoerana avy hatrany aho ary vao tonga dia nanontany hoe aiza ilay chauffeur mamo izany ? Raha vao itako izy dia nanontaniko hoe  » anamboatra an’io fiaranay simba io ianao sa tsia ? » Tsy nanana fotoana namaliana izy satria nisy ramatoa nivatravatra be niteny ahy hoe :  » tsy anamboatra izahay. Izaho no tompon’ny fiara ».

Ataovy ny constat izany, hoy aho, fa izaho andeha haka gendarmes hijery an’io chauffeur anareo mamo be io. Ary nisy feo avy any anaty olona niteny hoe efa nisy gendarme teo fa niala maina… Ilay chauffeur mamo kosa dia mbola niteny hoe « tsy mahalala anay nga? Izaho HVM ary ny tompon’io aotomobilina io mpitsara ». Nandritra izany dia mitazona carte professionnelle ilay magistrate. Nataony mihitsy izay ahitan’ny olona ilay karatra satria avoakany dia ampiriminy avy eo ary averimberiny io fihetsika io ary hitan’ny rehetra…

Satria mpitsara ilay ramatoa dia tsy niresaka taminy aho fa efa mailo. Lasa ihany aho nakany amin’ny gendarmerie satria manana ny rariny. Rehefa tonga tany amin’ny gendarmerie aho dia nanamarina ireo gendarmes fa efa nisy nandalo teny. « Manahirana ireo olona ireo fa mpiasan’ny fitsarana hono » hoy izy ireo sady nandà ny hiverina eny. « Raha tsy manao plainte nareo tsy afaka makeny intsony izahay » hoy ilay chef de poste. Nanao plainte maimaika ary izahay milaza fa mamo ilay mpamilin’ilay golf nanao accident.
Nidina teny antoerana avy eo ny gendarmes ary niaiky ilay chauffeur fa mamo, tsy maintsy misotro hono fa fety ny andro. Nalain’ny gendarmes avy hatrany ny papiers an’ilay golf ary dia nasain’zareo nakeny amin’ny gendarmerie ilay chauffeur.
Teo dia mbola nanindry indray ilay mpitsara. Nampiseho badge tao amin’ny gendarmerie mba tsy ahasahin’ny gendarmes anao garde à vue an’ilay chauffeur ary tsy ampiditra ilay fiara ao amin’ny fourrière. Nandaitra izany fampitahorana izany satria dia nalefan’ny gendarmes nody ilay chauffeur mamo sy ilay fiara golf ary dia nilaza ireto gendarmes ireto fa tsy izay no tokony ho izy fa tsy maintsy nekena satria lehibe noho zareo ilay ramatoa nanao tsindry.

Ny ampitson’iny, 22 mai, dia nametraka plainte au parquet ilay magistrate ary nilaza fa nanopa azy sy niteny ratsy be i Antsa Ramaroson sy ny zokiny mivady. Ny mamo indray no miantso polisy, hoy ny fitenenana satria dia anisan’ny namofona alikaola ity magistrate ity tamin’ny andron’ny accident. Ny motoako izay miloko gris, noir et rouge aza moa dia lazainy fa fotsifotsy ary saika hanosy azy hono, araky ny plainte nataony.
Tsy namoaka io vaovao io tamin’ny gazety mihitsy aho hatreto fa izao kosa dia mangataka anareo namana mino ny teniko mba hamoaka io marina io arak’izay tratra mihitsy. Averiko ihany, tsy mahay miteny ratsy aho ary tsy mahay manopa olona, peu importent les circonstances.

Anio (29 Mey 2018) aho dia hametraka plainte au parquet pour abus de pouvoir, trafic d’influence et menaces. Hametraka doléance any amin’ny CSM koa ny tenako. Mino aho fa mbola misy ny mpitsara mandala ny marina sy ny rariny ao amin’ny fitsarana ao, na misy aza ny manalabaraka ny asan’ny mpitsara toy izao. Mino koa aho fa toy ny fahafantaranareo ny toetrako dia fantampantan’ny mpitsara sasany koa ny toetra sy ny fomba ary ny zavatra mety ho vitan’io ramatoa hafahafa io.

Satria manana ny rariny aho dia hiady hatramin’ny farany. Ny marina tsy mba maty. »

Antsa Ramaroson – Mpanao gazety Midi Madagasikara

 

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you