9.5 C
Londres
lundi, janvier 12, 2026
AccueilHarimisa Noro VololonaFandoroana ny taratasim-panadinana ENMG : Iza no marina? - Triatra 14 mars...

Fandoroana ny taratasim-panadinana ENMG : Iza no marina? – Triatra 14 mars 2013

Date:

Related stories

spot_imgspot_img

Samy variana, izay no azo ilazana ny raharaha mahakasika indrindra ny fifaninanana hidirana eny amin’ ny sekoly ambony ENMG, izay fantatry ny rehetra moa fa voatery nofoanana noho ny fisian’ ny ahiahy amin’ny kolikoly. Raha tsiahivina mantsy dia saika hisy ny fitsirihana ireo taratasim-panadinana ahafahana mitady ny fisiana kolikoly amin’ ny alalan’ ny naoty, na ny fanomezana naoty ireo mpifaninana , saingy lavenona sisa no niandry ireo tompon’andraikitra. Io tranga farany io raha teo no nitarika ny kiafinafina teo amin’ ireo tompon’andraikitra maro isan-karazany. Raha ny fampitam-baovao farany mantsy izao dia ny hoe nisy ny fandoroana ireo taratasim-panadinana izay efa neken’ny Bianco sy ny tompon’andraikitra hafa ny hanatanterahana izany noho ny fibahanan-trano izay haterak’ireo taratasim-panadinana ireo. Ankilany ny BIANCO indray dia nitondra fampitam-baovao omaly, fa tsy nisy velively ny faneken’izy ireo amin’ny handorana ny taratasim-panadinana. Iza ary ary inona no marina manoloana ity zava-mitranga ity, iza no mandainga ?

Iratra Raitra

Subscribe

- Never miss a story with notifications

- Gain full access to our premium content

- Browse free from up to 5 devices at once

Latest stories