Houcine ARFAHoucine Arfa - Tonia mpampanoa lalàna Tokony hajain’ny...

Houcine Arfa – Tonia mpampanoa lalàna Tokony hajain’ny Frantsay ny fifanarahana eo amin’ny fitsarana – Triatra 20 janvier 2018

-

- Advertisment -spot_img

Ny « médecin chef” ny fonja no nangataka mafy tamin’ny ministry ny Fitsarana amin’ny hanomezana an’i Houcine Arfa fifindrana eny amin’ ny fonja Antanimora, satria nambaran’ ity “médecin chef” ity fa maro ny tsindry nahazo amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona.

Anisan’ny fantatra fa nanatanteraka io fanerena io ny masoivoho frantsay sy ireo misehatra amin’ny fanajana ny zon’olombelona any Frantsa, ary izany rehetra izany no antony nahatonga ny fanekena ny famindrana. Noho izany dia teo no nahatonga ny fisainana ratsy nataon’ity olon-dratsy ity, ary nahatonga izao fitsoahany any ampita , ary hanotofany lainga ny rehetra amin’ny alalan’ ny haino aman-jery. Manoloana ny fitetezan’i Houcine Arfa ireo haino aman-jery any Frantsa indray dia tsotra ny fanazavana nomen’ny tonia mpampanoa lalàna “gadra nandositra izany tsy azo hinoana, ary matoa izy nanao “appel” dia mazava fa mihaiky ny heloka vitany izy” hoy hatrany Balisama Odette Razafintsoa. Mikasika io fanaratsiana sy lainga izay hinian’ity gadra nandositra ity atao amin’ izao fotoana izao dia nanamarika mazava ihany koa ny tonia mpampanoa lalàna fa taorian’ny fisamborana azy dia nogiazana avokoa ny vola tao aminy, ary mbola ao amin’ny polisy hatramin’ izao, izay nahitana 180 tapitrisa Ariary anaty sakaosy iray miampy 32 tapitrisa Ar izay sakaosy iray hafa nitokana ihany koa, ary vola vahiny 32 000 Euros. Vokany io fanagiazana ny volan’io olon-dratsy io aza moa araka ny fanazavana dia voatery nanatanteraka tsipaipaika hividianana paty hatao sakafon’ ity houcine Arfa ity .

Raha ny fanazavana azo dia handrasana sisa ny valitenin’ ny fitsarana frantsay, satria dia efa azo ny antsoina hoe “ Notice Orange” mitondra ny laharana 418, izay midika fa efa misy ny fifandraisana eo amin’ ny fitsarana roa tonta mikasika ity raharaha ity. Nanamafy tanteraka ihany koa ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Balisama Odette Razafintsoa fa

“ firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara ka tokony ho hajain’ny frantsay ny fifanaraham-piara-miasa eo amin’ny lafin’ny lalàna”. Noho izany dia eo ampiandrasana ny valitenin’ ny fitsarana frantsay izany izao ny fitsarana malagasy mikasika ity raharaha Houcine Arfa ity, izay raha ny nambaran’ ny talen’ny polisy mpanao famotorana na ny DPJ, fa efa nanomboka ny taona 2001 no efa nanatanteraka raharaha maloto ity olon-dratsy mitsoaka any Frantsa ity. Raha ny fanazavana azo ihany taorian’ny fanontanian’ny polisy frantsay, dia fantatra fa efa nanomboka ny taona2001 no efa nanana raharaha maloto, ary efa niditra amponja toa ny fangalana an-keriny, fanafihana mitam-piadiana ary fandratrana iniana natao.

Iratra Raitra

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you