CorruptionKandidà Mapar : Mahazo laka ny mpanao “kidnapping” sy...

Kandidà Mapar : Mahazo laka ny mpanao “kidnapping” sy ny mpangalatra – La gazette DGI du 28 mars 2019

-

- Advertisment -spot_img

Tao anatin’ny iray volana mahery teo ho eo izay dia nilaza matetika teto amin’ity gazety ity izahay fa feno olona mpangalatra, mpanodinkodina harem-pirenena, ary olona maloto no mialokaloka ao amin’ny kandidà solombavambahoaka sy ho governora amin’ny antoko Mapar na Tgv, na koa ireo mpomba azy ireo toa ny IFi (Isika rehetra miaraka amin’i Andry Nirina Rajoelina) sy ny tsy miankina hafa izany maro izay midradradradra fa mpanohana fanjakana.

Tsy izahay ihany no nahatsikaritra izany fa ny ny avy amin’ny mpomba ny fanjakana izay mitantana ao amin’ny Tgv sy ny Mapar aza dia manamafy fa 30% ny kandidà neken’ny SN (Sekretera nasionaly) sy ny “Coordo” ary ny birao pôlitika dia olona manana raharaha maloto any amin’ny fitsarana avokoa.  Dia mbola nampiany indray fa ny 50% ny kandidà mpomba an’i Andry Rajoelina dia voakasika toa izany koa.

Ankehitriny dia mazava ny resaka satria olona any ampigadrana, izay voatazona vonjy maika amin’ny raharaha “kidnapping” izay nitranga tany Toamasina ny volana novambra 2018 lasa teo no mbola afaka nilatsaka tao anatin’ny lisitra mpanohana an’ny Mapar-Tgv any Ifanadiana ihany. Fantatra fa teo ankavanan’ingahy Andry Nirina Rajoelina ingahy Manantena Hajanirina Dina tamin’ny fisehoana nataony ankalamanjana maro teto Madagasikara.

Ankehitriny dia kandidà faharoa izy ao anaty lisitra ao Ifanadiana ary mpomba ny fanjakana Andry Rajoelina izany any an-toerana. Dia gaga ny Malagasy rehetra raha nandre izany satria nahazo fahafahana vonjy maika koa izy na dia “kidnapping” aza no itanana azy. Izy irery no navotsotra tamin’ireo namany valo izay voarohirohy nanao ity asa ity. Tamin’izy voasambotra dia voalaza fa fianakaviana akaiky ny lohandohany ao amin’ny Mapar ity Dina ity.

Mbola niteraka resabe teto amin’ny firenena koa ny kandidà IFi ao Fandriana nisy an’i Hasimpirenena izay voatazona vonjy maika ao am-ponja koa amin’izao fotoana izao. Raharaha fanodinkodinana tao amin’ny fananan-tany no itanana azy.

Mbola maro no olona voalaza fa manana raharaha maloto eto amin’ny firenena no mialokaloka ao amin’ity antoko TGV/MAPAR ity amin’izao fifidianana izao. Ho hitantsika eo ihany ny tohiny.

Jesy Rabelaolao

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you