Corruption MadagascarMadagascar corruption - Ampamoaka kolikoly misavorovoro ny tontoli'ny fitsarana...

Madagascar corruption – Ampamoaka kolikoly misavorovoro ny tontoli’ny fitsarana Tia tanindrazana 2 mars 2018

-

- Advertisment -spot_img

Niteraka fifanolanana sy fifanenjehana eo amin’ny lehiben’ny Fonjan’i Tsiafahy, Zafilahy Vonjy Stéphanson sy i Patrick Raharimanana ny nanapariahan’ity farany ny horonam-peo nataon’i Houcine Arfa sy ny olona akaiky azy milaza, fa nandoa 4 tapitrisa ariary tamin’ny lehiben’ny fonja izy.

Nitory an’i Patrick Raharimanana ity tompon’andraikitra ity noho ny fanaparitahana izany tamin’ny tambajotra fesiboky. Tsy marina izany ary be dia be ny porofo azonay hoentina hanamarinana ny maha diso azy. Narahina horonam-peo io, ary hitanay fa “montage” tanteraka satria ny feo tsy feoko, be dia be ny zavatra ao anatiny, izay tsy izy, hoy io tompon’andraikitra io. Nitory an’i Patrick Raharimanana ny tenany, ary efa any amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izany. Nangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina na “expertise”, ary nanizingizina fa “Montage” na feo sy horonam-peo natambatambatra ilay naparitaka. Tsy niandry ela ny valin-kafatr’i Patrick Raharimanana tao amin’ny tampajotra fesiboky, fa namoaka sary maromaro mikasika ny fitsidihan’ny vadin’i Houcine Arfa tao am-ponja. Nambarany fa heno amin’ny horonam-peo ny tsy hifampiresahana ao amin’ny “parloire” na ny toerana voatokana hifampiresahina amin’ny voafonja fa eo an-tokontany. Nisy ny sary maneho fa navoaka teo an-tokotany i Houcine Arfa. “Voahaja ve ny lalàna mifehy ny famangiana gadra raha ao an-tokotanin’ny fonja no hihaona fa tsy any amin’ny toerana natokana amin’izany ?”, hoy i Patrick Raharimanana. Nisy ny famindrana an’i Houcine Arfa ho any Antanimora, raha ny taratasy nataon’ity lehiben’ny fonja ity araka ny baiko an-telefaonina. Ara-dalàna ve izany ? Ary na nobaikon’ny lehibenao ve ianao, dia ekenao ny handray baiko tsy ara-dalàna ? Raha tsy nafindranao tany Antanimora tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izy dia ataoko fa tsy afaka nandositra, ka tsy ianao ve izany no voalohany tompon’andraikitra amin’ny fandosiran’i Houcine Arfa ?”, hoy hatrany izy. Andrasana izay mety ho valin-kafatry ny lehiben’ny fonja na koa fanapahan-kevitra mety hivoaka naterak’ity ampamoaka vaovao ity. Re ihany koa fa hihaona amin’ny mpanao gazety amin’ity anio ity Ramatoa minisitry ny fitsarana ka inoana fa tsy maintsy ho voaresaka ao ny raharaha Houcine Arfa sy ny antony nanesorana tompon’andraikitra ambony 4 teo anivon’ny fitsarana , izay hita fa misavorovoro sy manomboka mizarazara.

Toky R

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you