Dysfonctionnement de l'appareil judiciaire malgacheMadagascar, fihoaram-pefy, tsy fanarahan-dalàna - Mpitsara fito, greffiers telo...

Madagascar, fihoaram-pefy, tsy fanarahan-dalàna – Mpitsara fito, greffiers telo nandraisana fepetra nosaziana – Taratra 16 janvier 2019

-

- Advertisment -spot_img

Mitohy ny hetsika fanadiovana eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana. Niakatra teo anivon’nyFilankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ireo tsy nanara-dalàna sy nihoa-pefy. Tao ireovoasazy sy voaroaka amin’ireo mpitsara sy mpirakidraharaha ary mpandraharaha nyfonja.10 ireo mpitsara niakatra filankevi-pitsipi-pifehezana (Codis). Nahemotra ny mombaireo roa. Voatsara ny valo ary afaka ny iray. « Fito ireo mpitsara tsy maintsy nandraisanafepetra sy nosazina teo anivon’ny Codis », hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Harimisa NoroVololona, omaly tetsy Anosy. Ankoatra izany, samy voasazy ireo mpirakidraharaha fitsaranamiisa telo niakatra Codis ary 23 kosa ireo mpandraharaha fonja ka nisy ny voaroaka amin’izyireo raha mbola mitohy ny an’ny sasany.Mbola miato amin’ny asany i Fanirisoa Ernaivo.Manampy ireo, mbola mihantona amin’ny asany amin’ny maha mpitsara azy iFanirisoa Ernaivo, araka ny nambarany.Ankoatra izany, notsiahivin’ny minisitra ny zava-bitan’ny minisitera tao anatin’nyenim-bolana nitantanany. Teo ny fanamboarana na koa ny fanavaozana sy ny fanitarana nyfotodrafitrasa toy ny fonja sy ny biraon’ny mpitsara. Anisan’izany ny any Vangaindrano sy nyany Moramanga. Teo koa ny ho an’ny eto Antananarivo amin’ny birao sy ny tamboho etsyamin’ny fitsarana Anosy. Ny nananganana ny rantsam-pitsarana miady amin’ny kolikoly(Pac) sy ny rantsana hiady amin’ny fanondranana antsokosoko hazo sarobidy. Anisan’nylehibe indrindra sady nahafantarana ny minisitra Harimisa Noro Vololona koa anefa nyhetsika fanadiovana eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana. Eo, ohatra, ny famerenana nyfanajana fitsipika, toy ny fanajana fotoana.Nodiovina koa ny ao amin’ny ENMGTsy vitan’izany. « Nisy ny lesoka sy ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifaninananahidirana eo anivon’ny sekoly ENGM. Efa tafapetraka ny fitantanana sy ny rafitrahampangarahara ny fifaninanana, manomboka izao. Niantsoana manampahaizana ny lesokatamin’ny lafiny informatika tamin’ny fanadinana. Efa voahitsy izany izao ka hisy fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra iray manomboka amin’ny fisoratana anarana ho an’nympiadina, mandalo amin’ny laza adina ahitana marika manokana ka hatrany amin’nyfarany », hoy ihany izy. Na izany aza, tsy mbola fantatra ny fotoana hanaovana indray nyfifaninanana hidirana eo anivon’io sekoly ho an’ireo hianatra ho mpitsara sympirakidraharaha (ENMG) io. « Mbola hiova ny fitondrana ka miankina amin’izany ny hoTohiny », hoy ny minisitra.Synèse R.

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you