Corruption MadagascarRaharaha an-jatony momba ny kolikoly no mbola miandry ny...

Raharaha an-jatony momba ny kolikoly no mbola miandry ny PAC – Pôle anti-corruption – Ao raha du 25 février 2019

-

- Advertisment -spot_img

Tototry ny asa. Am-perinasa tanteraka ireo mpitsara eo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny kolikoly (PAC) nanomboka tamin’ny fisokafan’ny fotoam-pitsarana, ny tapaky ny volana janoary 2019 teo. Araka  ny fantatra dia raharaha zato mahery tsy vitan’ny Fitsarana momba ny kolikoly teo aloha no hosahanin’ireo mpitsara .

« Mbola miampy an’ireo raharaha vaovao maro voaray taty aoriana ireo avy amin’ny Fitsarana teo aloha ireo », hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity rantsam-pitsarana manokana misahana ny kolikoly  ity. Nanomboka tamin’ny taona 2018 no nandray ny toerany ireo mpikambana ao amin’ny PAC, ary saika nifototra tamin’ny fandraisana an’ireo raharaha avy amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ny asa notanterahin’izy ireo.

« Mandeha tsikelikely ny fanaovana famotorana sy ny fanadihadiana satria tsy azo ataotao foana ny fitsarana an’ireny raharaha samihafa ireny », araka ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany. Isan’ireo raharaha mafana mbola eo am-pelantanan’ny PAC ny raharaha mikasika an’ireo mpandraharaha, Rajaonah Mbola sy Razaimamonjy Claudine, izay samy mbola voatana any am-ponja vonjimaika.

Trondro vaventy

Ny herinandro lasa teo indray, dia efa eo am-panaovana fanadihadiana an’ireo mpiasan’ny Fadin- tseranana vitsivitsy, voa- rohirohy tamina raharaha kolikoly ireo mpitsara ao amin’ny PAC. Voalaza fa mety efa tsy ho ela intsony ny fitsarana an’ireo raharaha ireo. Isan’izany ny mikasika an-dRazaimamonjy Claudine, izay voa- saringotra amina raharaha maromaro. « Minisitera maro no nahitana raharaha mikasika azy, ka hatao miandalana ny fanadihadiana momba an’io mpandraharaha io », hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Isan’ireo efa nandraisan’ ny PAC fanapahan-kevitra didim-pitsarana ny raha­ raha nahavoasaringotra tompon’andraikitra iray nisahana ny fitantanana ny Fari-piadidiam-pampianarana teto Analamanga. Voalaza anefa fa hiditra amin’ny dingana goavana kokoa dia ny fanombohana ny fanadihadiana momba an’ireo raharaha maha- voasaringotra manam-pahefana sy tampon’ andraiki-panjakana ambony ireo mpitsara eo anivon’ity fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly ity.Juliano Randrianja

Latest news

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voyou d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo et de NEXTHOPE : Les sites internet litigieux des écrits diffamatoires,...

Contre DES PARTICULIERS ou contre DES PERSONNES dans une plainte pour diffamation publique fait encourir la nullité dans la plainte déposée par NEXTHOPE...

NEXTHOPE et RANARISON Tsilavo vont tout faire pour que des blogs racontent ce qui est arrivé à Solo, investisseur...

Must read

- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you