Fitsikerana mikasika raharaha maizina maro no indray mitontona eo amin-dRamatoa minisitry ny Fitsarana. Azo an’tsaina fa miteraka fahasahiranana efa mila tsy ho omby tratra ny fiatrehana izany. Ny ao amin’ny governemanta koa samy rendrika amin’ny fitadiavana vahaolana a fikarohana fomba hanaovana amboletra toy ny tetika mitora-jofo ho fanokanana ny tena votoatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana izay atolotra ny Parlemanta roa tonta ho halalinin’izy ireo ao anatin’ny fotoana fohy. Noho izany, samy variana amin’izay mahasahirana azy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ka miady irery Ramatoa minisitra.
Maro amin’ny mpitazana moa no milaza fa raha izy no teo amin’ny toeran-dramatoa dia efa ela no nametra-pialana. Fa angaha izy ity moramora toy izany? Niray hina, naira-dia nisitraka ny mamy dia hitsoaka an-daharana ve rehefa miseho ny sedra mangidy valin’ny fisitrahana ny matsiro? Samy mandeha samy miaritra! Ny fomba fanadiovany ny tenany dia nanambara moa ramatoa Minisitra fa history a’ilay”mpikarama an’ady vahiny” nanendrikendrika azy tamin’ny filazana fa nanome tsolotra no nahafan’izy io nitsoaka avy any am-ponja sy niporitsaka any am-pitan-dranomasina. Efa iray volana izay no nanaovan’ilay io izany fanosoram-potaka izany. Tsy mbola tafapetraka anefa ny fitoriana azy ary tsy fantatra koa ny tena marina mikasika ny fanadihadiana momba io raharaha io.
Mitohy hatrany anefa ny fandotoana ataon’io “jiolahy vahiny” nokaramain’ny Repoblika Malagasy volabe io. Mpiasam-panjakana ao ambany fifehezan’io minisitra io ihany koa no nolotoiny. Nanadio tena irery ilay voampanga tamin’izany. Samy mandeha samy miharitra, samy miaro tena fa tsy misy mitsoaka an-dàlana. Ny minisitra koa moa tsy mbla naka fepetra mikasika an’ireo voaendrikendrika fa fepetra fampiantoana ny Procureur Général efa akaiky retirety no nataony. Asa izay nahamaika azy nandray an’izany fanapahan-kevitra izany. Tsy tena mazava anefa na ny antony na ny fomba nanaovany azy, araky ny tsikera ataon’ny Sendikan’ny Mpitsara. Samy mpikirakira lalàna, ka tsy mifandefitra amin’izay tratra manao tsirambina.
Isak’izay mitsako toa sendra ny taolana hatrany. Tsy azo ho lazaina anefa fa efa ela nitoratorahana iy minisitra ity. Taorian’iny raharaha Claudine Razaimamonjy nitsabaka loatra angamba tamin’ny fiarovana an’ilay olona nenjehin’ny Fitsarana. Mbola adin’ny samy mahay lalàna ihany.
Léo Raz