AntanimoraANTANIMORA SY TSIAFAHY Avo telo heny amin’ny zakan’ny fotodrafitrasa...

ANTANIMORA SY TSIAFAHY Avo telo heny amin’ny zakan’ny fotodrafitrasa ny voafonja – Tia tanindrazana du 6 mars 2019

-

- Advertisment -spot_img

300% na avo telo heny amin’ny natokana ho zakan’ny fotodrafitrasa tany am-boalohany ny isan’ny manefa sazy sy miandry fitsarana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy sy Antanimora. Raha tokony ho 300 no vinavina zakan’ny toeram-panarenana eny Tsiafahy, efa mihoatra ny 900 izany ankehitriny.

Raha arivo no natokana hofonjaina eny Antanimora, efa tsy latsaky 3.000 izy ireo amin’izao, araka ny antontanisa ofisialy navoakan’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona. Amin’ireo etsy Antanimora, ny 85% dia lehilahy avokoa, 5% ny tsy ampy taona manefa sazy eny ary ny 10% Antanimora no vehivavy. Mihoatra ny 20 ireo zazakely tsy afaka misaraka amin’ny reniny no efa miaina ao am-ponja sahady. Ireo ankizy efa lehibe zanaka voafonja kosa dia tezain-dry maseran’ny Md Maurice eny Avaradoha. Ireo fonjan’ny renivohitra ireo no mitana gadra betsaka indrindra manoloana ny haben’ny fotodrafitrasa, ho an’i Madagasikara. Ankoatra an’Antanimora sy Tsiafahy, efa nitondran’ireo rafitra misahana ny zon’olombelona fanakianana avokoa ny salanisa tafahoatra isaky ny fonja. Mahatratra 200% mantsy izany manerana ny Nosy. Avo roa heny amin’ny tokony ho isan’ny voafonja zakan’ny fotodrafitrasa  ny isan’ireo arenina amin’ny trano famonjana 82 eto Madagasikara. Mitoetra ho olana hatrany, araka ny tatitr’ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona ny fitambaran’ny meloka amin’ireo miandry fitsarana. Ankoatra izay ihany koa, mitarazoka ela loatra ny fiandrasana fitsarana ho an’ireo ampidirina am-ponja vonjimaika. Tsy azo lavina fa olo-meloka ny akamaroan’izy ireo, saingy tsy izay rehetra tafiditra am-ponja akory dia meloka avokoa ka mizaka ny «afobe» amin’ny endriny maro anatin’ireny toeram-panarenana ireny tahaka ny sakafo tsizarizary, fatoriana mifanesika, tsy fahampian’ny fahadiovana, araka ny  feo mandeha tantarain’ireo efa tafavoaka. Vao iray volana izay ny fifamindrana valan’aretina kitrotro tamin’ireo voafonja tao Morondava noho ny fifampikasohana vokatry ny hateren’ny toerana ka nankarary gadra maherin’ny 50 ary nahafatesana voafonja iray.

Haja Nirina

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you