Harimisa Noro VololonaHarimisa Norovololona no namerina ny hasin'ny Fitsarana eto Madagasikara...

Harimisa Norovololona no namerina ny hasin’ny Fitsarana eto Madagasikara – La gazette de la grande île du 19 janvier 2019

-

- Advertisment -spot_img

Misy ny manakiana anay eto amin’ny La Gazette de la Grande ile, ary isan’ny fanamarihana entin’ny olona sasany amin’ity Gazety ity ny hoe “manakiana hatrany an’izay mpitondra nitantana teto ary tena henjam-piteny ny La Gazette de la Grande Ile”.

Eny Tompoko, izay no maha-tsindrilentam-pahefana ny gazety, ary ankoatra izay dia tarigetranay eto ny mametraka ho aro fanina sy ho fanitsiana ny mpitondra mety hihoa-pefy na hibirioka amin’ny lalana tsy tokony halehany.

Ireharehanay mihitsy izany fa tsy henatra akory.
Na izany na tsy izany, miezaka hatrany kosa izahay manasongadina ny zavatra tsara, saingy matetika dia toa tsy tsikaritra ny maro.
Amin’izao governemanta Ntsay Christian izao, ohatra, dia isan’ny hitanay fa mendrika raha asongadina ny fahamatorana vitan’ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana sady minisitry ny Fitsarana, Rtoa Harimisa Norovololona.

Maro ny fianakaviamben’ny fitsarana, na mpitsara na mpiraki-draharahm-pitsarana na mpiaro mpisolovava , na vadin-tany, na ny mpandraharahan’ny fonja, na ny olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana, eny ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena mihitsy, no mahatsikaritra sy mahatsapa fa nanao ezaka ho amin’ny fanarenana ny hasin’ny fitsarana izy. Tsy hoe efa tontosa 100% ny famerenana ny hasin’ny fitsarana amin’izao fotoana fa azo tsapain-tanana kosa ny firosoana mankany amin’izany. Isan’ny hita misongadina amin’izany ny fisorohana ny kolikoly, na amin’ny raharaham-pitsarana na ny fifaninanana handraisana ho mpianatra mpitsara na ny ho mpianatra ho mpiraki-draharaham-pitsarana, sy ny sehatra hafa.
Tsy midika akory izany fa foana ny kolikoly eo amin’ny raharaham-pitsarana, fa hita fototra kosa ny fanombohan’ny fahitana vokatsoa amin’izany.
Dia vantanina ny resaka fa raha misy ny ho fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia rariny raha mbola homena fitokisana Rtoa minisitra ankehitriny, Norovololona Harimisa e!

Tsy afenina koa mantsy fa tsy vitsy ny olona no manahy sao sanatria ka hiverina hahazo sehatra eo anivon’ny tontolon’ny raharaham-pitsarana ny efa zatra nanao kolikoly sy be afera hatrizay, ka sanatriavin’ny vava, ho maty momoka ny ezaka ho famongorana ny kolikoly.

Hatramin’ny filofosana hamita ireo antontan-taratasy natory sy tsy nisy nikitika hatrizay ao anivon’ny fitsarana no hita fa ezahina nofohazina tamin’izao fotoana nitantanan-dRtoa Minisitra Norovololona Harimisa izao. Tsy midika koa izany fa efa voakirakira avokoa ireo antontan-taratasy tsy voakitika nandritra ny 20 na 15 taona fa mba efa miezaka ny hanao izay tratra mba hanajana ny zon’olombelona e!

Koa raha misy ny fiheverana ny maha-zava-dehibe ny fampanjakana ny antsoina hoe “tany tan-dalàna” dia aoka mba ny fitsarana no homena ny hasiny voalohany satria io no antoky ny tany tan-dalàna. Tsy ho sarotra ny hahatrarana izany tarigetra izany raha olona mijoro amin’ny maha-izy azy araka ny fenitry ny fitsarana, toa an-dRtoa Norovololona Harimisa no mitarika ny ezaka ho amin’izany, ary ny irian’ny maro dia hiova tsy ho ela hanara-dia ny toe-tsaina ananan’ity minisitra ankehitriny ity ny fianakaviamben’ny fitsarana amin’ny ankapobeny, izay tsorina koa fa maro no efa tratry ny fahalovana amin’ny endriny maro. Mbola marina mandrakariva koa mantsy ilay oha-pitenenana hoe “ny tarehy ratsy no tsy azo ovaina fa ny toetra na fahazaran-dratsy azo ovaina tokoa”.

Ralay

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you