Lutte contre la corruption à MadagascarTsikombakomba sy kolikoly avo lenta : Mbola mirioriosy mangatsiatsiaka...

Tsikombakomba sy kolikoly avo lenta : Mbola mirioriosy mangatsiatsiaka any ny maro – La gazette DGI du 4 avril 2019

-

- Advertisment -spot_img

Azo ambara fa efa amperin’asa tanteraka ny fitondram-panjakana ankehitriny na dia mbola misy antokon-draharaha (direction) tokony hovaina aza ny tompon’andraikitra ao aminy any anivon’ny ministera isan-tsokajiny any. Tsy tokony hahasakana ny firosoana manatanteraka ny fanarenana anefa izany satria izay tompon’andraikitra tsy mbola nosoloina dia azo omena baiko hanatanteraka izay pôlitika tian’ny fitondrana foibe hotontosaina tsara.
Isan’ny lokaloka nifamatorana teny amin’ny Kianjan’ny 13 May nandritra ny tolon’ny Depiote 73 tamin’ny taon-dasa, ary nahavoasarika ny risi-pon’ny mpiasam-panjakana tamin’ny ankapobeny, ary isan’izany ireo sendika isan-tsokony, ny hanaovana fanadihadiana (audit) any anivon’ny ministera rehetra tany. Fanetriben’ny firenena teto mantsy ny fanararaotana sy ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny tompon’andraikitra isan-tsehatra nandritra ny fitondrana teo aloha ka fepetra iray nandrasan’ny maro, ary nampanantenaina fa hatao tokoa moa, io fanadihadiana na “audit” io.
Raha vao tafakatra teo amin’ny fahefana ny mpitondra ankehitriny dia ny fanendrena ny “akama” no nahadodona azy rehetra fa toa tsy misy mieritreritra an’izay fanadihadiana hoenti-mifampifehy ho amin’ny ho avy sy mba ho aro-fanin’ny rehetra tsy hanararaotra sy tsy hampanjaka intsony ny gaboraraka.
Tsy tokony hadinoina fa raha nisy fandikan-dalàna vitan’ireny tompon’andraikitra teo aloha ireny dia misy lalàna tsy azo ampandeferina ampiharina amin’izy ireny. Amin’izao fotoana anefa dia maro tamin’ny tompon’andraikitra teo aloha no efa lasa nitsoaka nandositra any am-pitan’ny ranomasina satria mahafantatra ny nataony tao anatin’ny fitondrana ry zareo ka tsy hanaiky horaisim-potsiny. Ireo tsy lasa nitsoaka indray dia misy no nihazakazaka nirotsaka hofidiana depiote. Toa tsy misy arakaraka fa mangatsiatsiaka sy mandany ny azo fotsiny, ary toa manana antoka fa tsy hisy hanana fahasahiana hikitikitika azy satria “efa tsara mpiaro” any ho any. Vitsy ireo tompon’andraikitra mba nanaja ny fahamarinana sy ny lalàna.

Izany kolikoly avo lenta tamin’ny tolotr’asam-panjakana (marché public) izany moa dia aoka fotsiny fa izay nahazo vahana rehetra tamin’izany dia mpanefoefo mpanontany ny ory avokoa amin’izao fotoana. Tranobe valo zoro (villa) miezinezina amin’ny faritra vitsivitsy eto amin’ny Nosy. Misy ny nahatsangana trano fandraisam-bahiny goavana hatrany Mahajanga any. Ny fiarakodia lafo vidy sy raitra moa dia tsy miafina fa ireharehan-dry zareo.

Tokony tsy hadinoina fa tsy Rtoa Razaimamonjy Claudine ihany no nanao ny nataony tamin’ny fitondrana nifandimby rehetra teo aloha fa misy maromaro ry zareo. Isan’izany koa ny tompon’ny vondrom-barotra mpiantoka asa vaventy (Entreprise) Andriamihary.

Raha afaka mampanao fanadihadiana momba azy io ny Bianco dia azo antoka fa hiharihary toy ny kary an’efitra ny tsikombakomba maloto rehetra sy ny endrika kolikoly avo lenta nifamatoran-dreo ao. Ho hitam-poko hitam-pirenena eo koa ireo tompon’andraiki-panjakana ambony teo aloha izay nitsikombakomba maloto tamin-dry zareo. Voalohany tamin’izany ny tao anivon’ny ministeran’ny Asa vaventy tao, indrindra fa ny fanaovan-dalana.

Mampanahy ihany anefa ny tena hisian’ny fanadihadiana matotra amin’ny raharaha toa izany satria fantatry ny fiaraha-monina fa misy fifamatorana matotra “hafahafa” koa amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ireny tsikombakomba maloto sy kolikoly avo lenta ireny amin’ny vadin’olona ambony ao amin’ny Bianco ao, ka mampiahiahy mahakely finoana e!

Na izany na tsy izany, avoaka an-gazety ihany ny raharaha mba hanaitra ny rehetra ka ny antenaina dia mba tsy hilaozan’izay olon’Andriamanitra tena tia tanindrazana hikatsaka ny tena mahasoa an’ity firenena ity ao anatin’ny rafi-panjakana ankapobeny ao fa tsy hiray petsapetsa sy hitsikombakomba amin’ny ratsy avokoa.

Rainisoa

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you