Clément JaonaTsotra fa ny tanjon’ny SMM amin’izao fotoana itantanany azy...

Tsotra fa ny tanjon’ny SMM amin’izao fotoana itantanany azy izao dia hanery ny fanjakana hampihatra lalàna hoy Clément Jaona Filoha vaovao ny SMM – La gazette DGI du 22 février 2019

-

- Advertisment -spot_img

Herinandro izao no nahavoafidy an’ingahy Clément Jaona izay filohan’ny SMM na ny sendikan’ny mpitsara Malagasy. Izy no voafidin’ny mpitsara eto Madagasikara hisolo an’i Herinaivo Fanirisoa. Ingahy Clément Jaona izay filoha lefitra ny sendika teo aloha ihany.

Hitondra ny sendika ao anatin’ny telo taona ingahy Clément Jaona. Raha tafaresaka taminay izy ity herinandro ity dia nanambara tsotra fa ny tanjon’ny SMM amin’izao fotoana itantanany azy izao dia hanery ny fanjakana hampihatra lalàna.

Eo anatrehan’izany fanambarana izany dia mipetraka ny fanontaniana hoe “tsy mihatra ve ny lalàna eto Madagasikara?”. Maro no zavatra tsapan’ity “magistrat” amin’izany resaka nataony izany. Inona no lalàna tsy mihatra eto ary amin’ny fomba ahoana no mety ho fisehon’izany Isan’ny toeram-piasana voalazan’ny fikambanana iraisam-pirenena fa anjakan’ny kolikoly sy sehatra ny fitsarana eto Madagasikara. Manampy azy amin’izany ireo mpitandro ny filaminana izay misy ny zandary sy ny pôlisy.

Ny fikambanana iraisam-pirenena hatrany no milaza fa natao ho an’ny mahantra ihany ny fonja Malagasy. Tsy miditra am-ponja eto Madagasikara ny mpanan-karena sy ny be galona isan-karazany. Na miditra aza dia tsy mitovy amin’ny rehetra. Ny mahakasika ireo ve no tian’ingahy Clément Jaona tenenina fa hanery ny fanjakana hampihatra lalàna ny SMM.

Ho an’ny olona tsotra dia ny fitsarana no heverin’izy ireo fa fanjakana. Ka inona no tian’ingahy Clément Jaona lazaina hoe fanjakana ity indray?

Raha ny fanjakana indray no asian-dresaka dia ny mpitondra ny firenena no azo lazaina amin’izany. Ny filohan’ny repoblika, ny minisitra ary ny depiote sy ny senatera no mpitondra fanjakana eto Madagasikara. Noho izany dia azo adika fa ireo olona ireo no isan’ny ho terena hampihatra ny lalàna.

Midika koa izany fa mbola misy olona henoin’ny mpitsara indray ao amboniny ao amin’ny fanapahan-kevitra izay raisiny amin’ny fitsarana ireny. Ny filohan’ny repoblika no filoham-boninanhitra ny fitsarana. Misy ny antanan-tohatra tsy maintsy arahina amin’ny fitsarana ireny ka misy andraikitra ny mpitondra fanjakana izany ve ny raharaham-pitsarana ? Matetika tokoa dia tsy maty manota izay mitondra sy izay voafidim-bahoaka. Iza no tsy mahalala fa voasazin’ny lalàna higadra mandrapahafatiny ingahy Ravalomanan Marc, nefa tsy nisy ny fampiharana izany didy izany. Amin’izao fotoana izao dia miandry izay hanadihadiana an’ingahy Solonandrasana Olivier sy ny olona rehetra niray tsikombakomba taminy tamin’ny resaka vola manokana ho an’ny kaominina ny vahaoka tamin’ireo vola izay voalaza fa voahodinkodina.

Misy koa ny tsy fampiharana ny didy izay avoakan’ny fitsarana rehefa tonga any amin’ny ministera sy ny olona voakasika izany. Ireny rehetra ireny ve no tian’ingahy Clément Jaona ho tenenina amin’ny filazany hoe “ hanery ny fanjakana hampihatra lalàna ny SMM?”

J.B.

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you