BIANCOFifaninanana hidirana polisim-pirenena toy ny tao amin'ny sekoly ambony...

Fifaninanana hidirana polisim-pirenena toy ny tao amin’ny sekoly ambony manofana mpitsara : odiana tsy hita ny tsy mety ? La gazette DGI du 21 mars 2019

-

- Advertisment -spot_img

Misy raharaha tsy ara-drariny mitranga eo anivon’ny fianakaviamben’ny pôlisim-pirenena ao. Efa notaterina teto, ohatra, ny momba ny fifaninanana nandraisana mpianatra ho kaomisera sy ny momba izany. Momba an’io indrindra, ohatra, dia re fa nivory ny lohandohan’ny mpisorona tao anivon’ny pôlisy ka nilaza hoe “raharaha efa nandeha fitsarana io ary efa namoahan’ny fitsarana didy ka tsy misy atahorana fa iniana tsy valiana”. Eny, tompoko. Tsy manda an’izany izahay ary raha tsaroantsika mpamaky aza dia nosoritana tao anatin’ny lahatsoratra tamin’izany io didim-pitsarana io.

Amin’ny raharaham-pitsarana koa anefa dia misy ny antsoina hoe “tranga vaovao” (faits nouveaux) izay ahafahana miverina manao ny fandinihan’ny fitsarana ny raharaha, izay mety hampiova mihitsy ny didy.

Ankoatra an’izay, re izao fa nitombo iray tampoka ny isan’ireo mpianatra ho polisy eny Ivato amin’ireo andiany farany. Ny antony dia satria nisy mpianatra ho pôlisy iray tamin’ny andiany teo aloha, no lasa adala, ka najanona tamin’ny fianarany. Taty aoriana dia nambara fa sitrana izy io dia naverina nianatra, saingy hatramin’izao dia mihetsika matetika ny hadalany, ka mba rariny ve ny mbola hamelana azy io hanohy hatrany ny fianarany ao?

Raha ampifandraisina amin’ilay resaka didim-pitsarana izao io dia hoe “nahoana io lasa adala io no mbola naverina nianatra na mbola adala aza fa ny mendrika ho isan’ny mpianatra, nosakanana hatramin’ny farany?”

Misy koa mpianatra ho pôlisy izay tsy manana ny hery enti-miatrika izany asan’ny pôlisy izany ao. Raha mandeha manao dia an-tongotra lavitr’ezaka (la marche) ireo mpianatra ho pôlisy dia misy fiara manaraka hatrany ka ilay mpianatra iray izay, tsy lasa lavitra akory dia miakatra anaty fiara hatrany satria tsy manana herim-batana hiatrehana ny raharaha. Mba rariny koa ve izany?  Ny re dia toa samy nanana ny olona nampidiriny (quota) ny tompon’andraikitra isan-tsehatra teo aloha, ka mety ho tafiditra ao anatin’ny anjara-pôlisin’ny sasany ireny hafahafa ireny ka tsy azo esorina na misy inona na misy inona.

Misy koa ao, olona mararin’ny voa ka tsy maintsy manadio ra (manao dialyse) in-telo isan-kerinandro. Fantatra fa tsy roa herinandro na iray volana no manao an’izany fa mandrakizay raha tsy voasolo ny voany, nefa dia mbola tsy andraisana fepetra hatrany fa avela hanohy ao. Ny hafa mahavita sady tomady, navela any, nefa raharaham-pirenena no hataon’izy ireny fa tsy hoe kilalao.

Etsy ankilany, misy mpianatra pôlisy marary koa. Efa nody nandritra ny tapa-bolana izay. Nihevitra ny hiala izy satria tsapany fa tsy ho vitany, nefa dia valin-teny hafahafa no setriny hoe “adalanareo angaha izahay nampiditra anareo ho mpianatra pôlisy?”

Hatramin’ny fisian’ireo mpianatra nohafahana ho mpianatra pôlisy no fantatra sy hita fototra fa nampiasa mari-pahaizana hosoka, nefa dia avela ho isan’ny mpianatra ara-dalàna sy ara-drariny ihany.

Isan’ny tranga tokony hidinan’ny Bianco ifotony koa izany, ka hanadihadiana ny momba ilay fifaninanana fandraisana ho mpianatra pôlisy mihitsy. Toy ny tao amin’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara e! Sa mbola matahotra an-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina satria nanana olona tsy maintsy nohafahana tao izy tamin’ireny?

Tsimba

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you