BIANCORasolo Elise - Fisiana sampana boboka anatin'ny rafitra iankinanana...

Rasolo Elise – Fisiana sampana boboka anatin’ny rafitra iankinanana raha toa ka ny Minisitry ny fitsarana no voampanga – Les nouvelles du 21 mars 2019

-

- Advertisment -spot_img

Toy ny efa tafiditra ao amin’ny fahazarana ny fahenoana, na miaramila izany,  na zandary, na pôlisy voarohirohy noho ny fandraisana anjara amina raharaha maloto. Ambonin’ny heloka nefainy noho ny maha miaramila, zandary sy pôlisy azy, dia miampy fanotana fady karazana famosavina olona natao ho tahian’ny tena ny fanararaotana andraikitra, izay nampiasaina ho fanakonana ny ratsy atao.

 

Taitra ihany anefa raha naheno fa minisitry ny fitsarana, izay ankoatr’izany dia mpitsara ambony, no mety ho voasaringotra ao anatin’ilay fitsikombakombana tamin’ny fikasana hanodinkodina ny fizotra sy vokatry ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Fianarana ho mpitsara. Tsy voalohany izao no nandrenesana fanao toy izany, fa izay vao nisy fanatrarana. Tompon’andraikitra ambony no ipetrahan’ny ahiahy mikasika ny fandraisana anjara ao anatin’ilay tambajotra. Tsy isalasalana fa ao ambadika ao ny resa-bola sy kolikoly.

 

Rariny raha tsy ampy fitokisana amin’ny fitsarana ny olona, ary raha mirona any amin’ny finoana ny laza maloto zakain’ny mpitsara ny vahoaka. Iza moa no mitondra vola ho fandisoana ny vokatry ny fifaninana, fa tsy ny mpifaninana? Izay no mitarika ny fiheverana fa raha fomba vetaveta no nampiasaina teo amin’ny fidirana, ka mbola anisan’ ireo niombona tamin’ilay fomba ratsy ihany koa ny sasantsasany amin’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ilay fianarana, dia ho vonton’ny fahamarinana sy fahadiovana ve ny toe-tsain’ireo mpianatra niofana tao?

 

Mitombona ny fisin’ny ahiahy : moa ve rehefa mandray toerana ireo nanefa be tany am-pidirana dia hanan-tsaina afa-tsy ny fanorana, izay hany fomba famerenana ny lany ? Ahoana moa ny anatra mampitandrina mba tsy ho zarina mitsotra ny tànana, sy ny resaka mikasika ny fahazaran-dratsy toy ny fankafizana vola tsy nisasarana ? Iza moa no anankinana ny fampiharana lalàna tsy an-kijery tavan’ olona?

 

Mba hanjakan’ny rariny, dia tsy ny lalàna no tokony hotsarain’ireo mpiambina ny fampiharana lalàna, fa ny fanajan’ny olon-drehetra ny lalàna velona no tandrovan’izy ireo. Raha boboka ny rantsana sasantsasany amin’ny sampana natokana ho tompon’antoka amin’ny fampiharana lalàna, azo heverina fa hanahirana toy izany koa ny famerenana ny tany sy fanjakana ho fehezin’ny lalàna. Izay anefa ny làlana ombana ankehitriny, hany làlana ahatongavana amin’izany hoe tany tan-dalàna izany, tany tan-dalàna hany fomba ahafahan’ny fanjakan’ny rariny hijoro.

Léo Raz

Latest news

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent une clause d'arbitrage dans les contrats pour qu'en cas de...

RANARISON Tsilavo n’est pas le gérant fondateur de CONNECTIC mais RANDRIANANTOANDRO Luc

<< Tamin’ny 14 septambre 2005 no nanangana ny orinasa CONNECTIC , izaho mihintsy no fondateur, nisy namako iray niaraka...

NEXTHOPE de RANARISON Tsilavo a été créée en 2005 d’après un article publié par Newstimes du 10 juillet 2017 alors qu’elle a été créée...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE se permet de dire que la société NEXTHOPE a été créée en 2005 " Depuis sa création...

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE a corrompu les juridictions malgaches d’après la plainte en diffamation de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE

RANARISON Tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches d'après le référé déposé par...
- Advertisement -spot_imgspot_img

RANARISON Tsilavo est décrit comme un voleur et escroc d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme un prétendu voleur et escroc D'après le référé au TGI d'EVRY  de RANARISON Tsilavo...

RANARISON Tsilavo est décrit comme une personne ayant corrompu le juridictions malgaches d’après le référé de RANARISON Tsilavo NEXTHOPE au TGI d’Evry

RANARISON tsilavo NEXTHOPE est décrit comme une personne ayant prétendument corrompu le juridictions malgaches D'après le référé au TGI d'EVRY ...

Must read

La clause d’arbitrage lorsqu’on fait des affaires à Madagascar

Les entreprises qui font des affaires à Madagascar insèrent...
- Advertisement -spot_imgspot_img

You might also likeRELATED
Recommended to you