5.2 C
Londres
mercredi, janvier 14, 2026
AccueilLutte contre la corruption à MadagascarPrescription - Fivarotana zaridaina eny analamahitsy - Ahina tsy ho afa-bela koa...

Prescription – Fivarotana zaridaina eny analamahitsy – Ahina tsy ho afa-bela koa ry Lalaina Berthnès – Taratra du 14 mars 2019

Date:

Related stories

spot_imgspot_img

Mifandray. Nambaran’ny mpisolovava, ny Me Rakotondrajao Armand, omaly, fa anisan’ny voarohirohy sady tafiditra amin’ny resaka zaridaina manoloana ny Coliséum Antsonjombe koa ny filohan’ny filankevitry ny Tanàna teo aloha, i Lalaina Bertnès. “Ny 19 jolay 1998 koa ny nivarotana ny zaridaina Analamahitsy nifanaraka amin’ny fivarotana ny zaridaina  Antaninarenina. Maromaro ireo voasaringotra amin’ity raharaha ity”, hoy izy, omaly. Anisan’ny nahagaga ity mpisolovava ity ny nanaovana ny famindrana teny amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany izany taty amin’ny taona 2018 ary lasa amin’ny anaran’izy ireo ny tany raha efa ny taona 1998 ny nifampivarotana izany. “Samy namoahana didy fampisamborana avokoa ireo ahina ho voarohirohy ao anatin’ity resaka zaridaina ity… Ho hita eo ny ho vokatry ny fanadihadiana amin’ny mety ho ao ambadiky ny fivarotana ireo tany ireo. Mbola baraingo ny momba ny anaran’ireo nividy sy ny adiresy hosoka. Tena misy izy ireo sa tsia na anarana napetraka fotsiny ahazoana ilay tany”, hoy ihany izy.

Nilaza ny tsy hipetra-potsiny ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany fa mbola hiditra lalindalina kokoa amin’ireo tanim-panjakana hafa. Anisan’izany ny eny Anosizato, ny CEG Analamahitsy, ny EPP Behoririka…

Synèse R. 

Subscribe

- Never miss a story with notifications

- Gain full access to our premium content

- Browse free from up to 5 devices at once

Latest stories